Feon'ny Fitiavana
Injay fa miantso ahy, ny feon'ny Fitiavana
Manohina ny fiainako, ka tsy azoko andosirana
Mahery vaika mantsy ka tsy azoko ampanginina ary tsy azoko andosirana
Ilay feon'ny Fitiavana maniraka ny zanany ho fiainana arahina
Ka raisiko ny anjarako, hizorako ny lalako (in-2).
1- Mba tsofy rano tsara re ry Dada sy ry Neny
'ty zanaka hiainga mba hanefa ireo adidy
any ho any kosa aho hahatsiaro anareo e, handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e )
fa sarotra ny lalana ka mila ny tso-drano hanambina ny diako ) in-2
2- Mba tsofy rano tsara re ry zoky sy ry zandry
'ty havana hiainga mba hanefa ireo adidy
any ho any kosa aho hahatsiaro anareo e, handefa tonom-bavaka
Mba tsofy rano tsara re, 'ty mpivahiny 'ty e )
fa sarotra ny lalana ka mila ny tso-drano hanambina ny diako ) in-2