Ataovy mikatsaka

Ataovy mikatsaka Anao lalandava ny lalam-piainako
Isan'andro isan’ora eran’ny fahosako sy ny fahoriako
Ataovy mikatsaka ny endrikao aho hahita ny miafina

Na inon-kitranga na inon-kidona na iza hisakana

Ianao re ry Tompo ô, Ianao irery ihany
Ilay tokan-Tsitoha maharitra mandrakizay
Kaloiko ho Anao hira tokana an-tany
Ianao ilay tsy miova ary tsy mba mivadika

Ny masoko hibanjina ny endrikao zahako isanandro
Mitarapitiavana sy famelana miantefa ao anatiko
Ianao miantso ahy tsy sasa-miangavy fa tia ny talahoko
Ianao ilay tadiaviko sy iafarako Ianao eto anilako

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801