ANTSA (I.)
Novelomina, notsimbinina tao amin’ny Zanaka ary ny Fanahy iray isika androany.
Akory ny fitiavan’ny Ray antsika!
1 Anatrehanao, ry Ray,
Mitsaoka Anao izahay
Noho Ianao nahary anay
Sy izao tontolo izao
Sy izay rehetra eo aminy
Misaotra Anao koa
Fa tena tsara Ianao
Ary tena tsara indrindra!
2 Noho ny Teninao, ry Ray,
Izay tsy hafa fa Ianao,
Naharianao anay
Sy izao tontolo izao
Sy izay rehetra eo aminy
Misaotra an-tanan-droa
Namonjy anay Ianao!
Fa fitiavana Ianao.
3 Ny Fanahinao, ry Ray,
No mitobaka ao anaty,
Ary aina ho anay
Sy izao tontolo izao
Sy izay rehetra eo aminy
Hoderaina anie Ianao
Am’taona tsisy fetra
Ka ho mandrakizay!
SALAMO (II.) 110 (109)
Nahazo ny fiandrianana maha-Mpanjaka Azy i Kristy mitoky amin’Andriamanitra Ray.
Ny fanjakany anefa tsy aiza fa ao am-pontsika.
Sas: Mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra i Kristy,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. (1 Piera 3,22 sy Lk 1,33)
Andininy:
1 Hoy Andriamanitra tamin’ny Tompoko:
Avia mipetraka eto an-kavanako
Ho mandra-panaoko ny fahavalonao
Ho tonga fitoeran’ireo tongotrao.
2 Ny tehinao mahery hahinjitry ny Tompo
Avy any Siôna, avy any an-danitra;
Koa dia manjaka ary koa mandidia,
Hatreo am-povoan’ny fahavalonao.
3 Anao ny fiandrianana hatramin’ny vao teraka
Fa masina Ianao ary enim-boninahitra
Manerana ireo tendrombohitra masina
Sy voatsodrano hatrany am-bohoka.
4 Izao ny fianianana avy amin’ny Tompo:
„Ianao dia Mpisorona mandrakizay
Ka toy ny fanaon’i Melkisedeka!“
Nianiana ny Tompo ka tsy mba hanenina.
5 Ny Tompo hijoro eo an-kavananao
Ho vinitra ery hanamongo mpanjaka
Hisotro am’n’ny riaka eny an-dalana Izy
Hitraka ny lohany, hijoro mahitsy.
6 Derao ny Ray be fitiavana antsika!
Ny Tompo nandresy ny fahafatesana,
Derao ny Fanahy nananganana antsika,
Ho mandrakizay ka ho mandrakizay.
Sas: Mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra i Kristy,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.
SALAMO (III.) 114 (113 A)
Ny Ranomasina mena no nanafaka ny zanak’Israely tamin’ny fanandevozana.
Ny Batemy kosa no nanafaka antsika tamin’ny ota.
Sas: Natao Batemy isika tao amin’i Kristy Tompo,
fony Izy maty sy nitsangana ho antsika. (Rom 6,3-4)
1 Fony nandao an’i Ejipta i Israely,
an’ilay vahoaka lozabe ny tranon’i Jakôba.
2 i Joda tonga toerany masina,
i Israely zary fanapahany.
3 Ny ranomasina nahita, ka nandositra;
i Jordany nanao dia mianotra;
4 ny vohitra niantsambotra toa osilahy;
ny havoana toa zanak’ondry.
5 Ahoana ity ianao no mandositra, ry ranomasina?
ary i Jordany no manao dia mianotra?
6 ny vohitra no miantsambotra toa osilahy?
ny havoana no toa zanak’ondry?
7 Mangovita, ry tany, anoloan’ny Tompo:
anoloan’ny Andriamanitr’i Jakôba:
8 Ilay nanova ny vatolampy ho farihy
sy ny karao-bato ho loharano!
Sas: Natao Batemy isika tao amin’i Kristy Tompo,
fony Izy maty sy nitsangana ho antsika.
TONONKIRA (IV.) Apok 19,1-7
- Aleloia! Nitsangan-ko velona i Kristy, ‘ndeha hihoby Azy isika. – Aleloia!
Sas: Manjaka Andriamanitra, aleloia, aleloia!
Miravoa, ry tany, aleloia, aleloia!
1 Avy amin’Andriamanitra ny famonjena antsika
Ka azy irery ihany na ny laza na ny hery:
Satria ny fitsaràny mahatoky sy mahitsy
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
2 Tongava, ry mpanompon’Andriamanitra rehetra
Isika mianakavy ‘zay matahotra ny Tompo.
Tongava, ‘ndeha hidera ‘zay nataony tamintsika
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
3 An-tanan’Andriamanitra ny tehim-panjakana,
An-tanan’Izy Tompo koa ny fahefana feno:
Hiara-mankalaza am-boninahitra Azy isika!
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
4 Andeha hiravoravo koa isika ‘zay nasainy
Fa tonga i Jesoa Tompo ho amy fampakaram-bady
Ka indro ny ampakarina efa vonona hotsenainy
Aleloia! Aleloia! Aleloia!
Sas: Manjaka Andriamanitra, aleloia, aleloia!
Miravoa, ry tany, aleloia, aleloia!
TENIN’ANDRIAMANITRA (V.) (2 Kor 1,3-4)
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika
sy Rain’ny fanalana alahelo rehetra mba hahazoanay manafaka
alahelo ny tra-pahoriana rehetra.
VALINKIRA (VI.) Salamo 113(112),2
Fiv: Hisaoranay anie ny Anaran’ny Tompo, Aleloia! Aleloia!
1 Ankehitriny sy mandrakizay, Aleloia! Aleloia,
Fiv: Hisaoranay anie ny Anaran’ny Tompo, Aleloia! Aleloia!
2 Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina.
Fiv: Hisaoranay anie ny Anaran’ny Tompo, Aleloia! Aleloia!
TONONKIRAN’I MARIA (VII.) (Lk 1,46-55)
Fiv: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
faly ao aminy ny foko.
Andininy:
1 Mankalaza ny Tompo ny fanahiko;
Faly ao aminy ny foko,
2 Izy niantra ny ankizivaviny
Ny vahoaka hiantso hoe: sambatra aho.
3 Zava-dehibe no nataony tamiko:
‘Zay matahotra Azy ho tahiny hatrany.
4 ‘Zay manandra-tena haetriny,
‘Zay manetry tena hasandrany.
5 Izy niantra ny vahoaka Israely,
Fa tsy hadinoiny izay namindrany fo.
6 Ka ny toky izay nomeny an’i Abrahama,
Indro ankehitriny tanterahiny.
7 Voninahitra anie ho an’Andriamanitra,
Fiderana anie ho Azy mandrakizay.
Fiv: Mankalaza ny Tompo ny fanahiko; faly ao aminy ny foko.
Na dikany hafa (ka ny fiverenany etsy ambony no atao ho sasinkira)
RANOMBAVAKA (IX.)
Mietre tena isika hitalaho amin’ilay Ray mahefa ny zavatra rehetra
mba hihaino ny fangatahantsika zanany Izy, ary matokia milaza aminy hoe:
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
1 Ry Andriamanitra fatra-pitia ny olombelona ô, enga anie ny Eglizinao hitory
sy hampanjaka ny fitiavana ho famantarana ny famonjena ho an’ny olona rehetra.
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
2 Ataovy mafy orina amin’ny finoana ny Papa sy ny Eveka rehetra, ataovy
miray fo aman-tsaina, anjakan’ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina.
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
3 Hiray marina tokoa amin’i Kristy Filohany anie ny Kristianina rehetra; ka ho hita
eo amin’ny toe-piainany fa efa tonga ny fanjakanao.
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
4 Omeo fiadanana marina izao tontolo izao ka hanjaka hatraiza hatraiza
ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana.
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
5 Ireo rehetra nody mandry anie hatsanganao amin’ny andro farany fa efa
natsanganao ho velona i Jesoa Kristy, hanantenanay hitsangana koa.
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
6 Fangatahana hafa
Fiv: Tompo ô, ho tonga anie ny fanjakanao.
Rainay any an-danitra ...
Ny fangatahana farany dia izay atao amin’ny lamesan’ity alahady ity ihany.
na:
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay,
sahinay antsoina hoe Ray Ianao,
ka mba ataovy lavorary ao am-ponay
ny Fanahy nanangananao anay ho zanakao
hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Amin’ny alàlan’i JKZT ..
TSODRANO (IX.) [ohatra]
Mpitsodrano:
Enga anie ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina
izay Andriamanitra tokana,
hampiray fo sy saina antsika mandrakariva
araka ny maha-iray Azy.
Valiny:
Misaotra e! Fa sitrak’Andriamanitra ny hahavonjy antsika!