Hafatry ny Papa ho an'ny andro maneran-tany ho an'ny Tanora

HAFATR’I PAPA LEON faha-14
HO AN’NY ANDRO MANERAN-TANY FAHA-40

HO AN’NY TANORA

“ Ary ianareo koa hijoro ho vavolombelona hanambara Ahy satria miaraka amiko hatramin'ny voalohany ianareo.” (Jo 15,27)

Ry tanora malala,
Eto am-panombohana ity hafatra voalohany alefako ho anareo ity dia tiako aloha ny misaotra anareo. Misaotra tamin’ny hafaliana  nozarainareo tamin’ny nahatongavanareo taty Rôma nandritra ny Jôbilin’ny Tanora, ary misaotra ireo tanora rehetra izay niombom-bavaka tamintsika avy amin’ny vazan-tany efatra ihany koa. Fotoana sarobidy nanavaozana ny firehidrehitry ny finoana sy nizarana ny fanantenana miredareda ao am-pontsika izany! Koa aoka tsy hataontsika ho toy ny fotoana maningana fotsiny iny fihaonana nandritra ny jôbily iny, fa ho mariky ny dingana iray amin’ny fiainana kristianina ho an’ny tsirairay aminareo, ary fankaherezana mafy mba haharitra ao
amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana.

Izany fahavitrihana izany indrindra no ivon’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora, izay ankalazaintsika ny alahady fetin’i Kristy Mpanjaka, ny 23 Novambra ho avy izao, ary hanana ny lohahevitra hoe: “Ary ianareo koa hijoro ho vavolombelona hanambara Ahy satria miaraka amiko
hatramin'ny voalohany ianareo.” (Jo 15,27). Miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina, amin’ny maha mpivahinin’ny fanantenana, no hivononantsika ho vavolombelona maherifon’i Kristy.

Atombontsika dieny izao àry ny lalana hitondra antsika hankany amin’ny fankalazana ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora any Séoul, amin’ny 2027. Lafin-javatra roa amin’ny fijoroana vavolombelona no tiako hifantohana amin’izany fikasana izany : fisakaizantsika amin’i Jesoa izay raisintsika avy amin’Andriamanitra toy ny fanomezana sy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay eo amin’ny fiaraha-monina, amin’ny maha mpanorina fiadanana azy.

Sakaiza, noho izany, vavolombelona 

Teraka avy amin’ny fisakaizana amin’ny Tompo, nofantsihana sy nitsangan-ko velona ho famonjena ny rehetra ny fijoroan’ny kristianina ho vavolombelona. Tsy tokony hafangaro amin’ny fampielezana firehan-kevitra izany, fa tena fototra amin’ny fiovana ao anaty sy fanentanana ny
fiaraha-monina. Tian’i Jesoa antsoina hoe “sakaiza” ny mpianatra izay nampahafantariny ny Fanjakan’Andriamanitra sy nangatahany hitoetra hiaraka Aminy, mba hanorina ny ankohonam-piainany ary hirahiny hitory ny Evanjely (jer Jo 15,15.27). Noho izany, rehefa miteny antsika i Jesoa hoe: “mijoroa ho vavolombelona”, dia omeny toky isika fa raisiny ho toy ny namany. Izy irery ihany no mahalala tanteraka ny momba antsika sy ny antony maha eto antsika: fantany ny fonareo, ry tanora, ny hatezeranareo manoloana ny fanavakavahana sy ny tsy rariny, ny fanirianareo ny marina sy ny kanto, ny hafaliana sy ny fiadanana; mihaino anareo, mampirisika anareo ary manoro lalana anareo am-pitiavana Izy, amin’ny fiantsoana ny tsirairay ho amin’ny fiainam-baovao. Tsy maniry afa-tsy ny soa ho antsika mandrakariva ny fijerin’i Jesoa izay mialoha antsika (jer. Mk 10,21). Tsy tiany ho toy ny mpanompo isika, na “mpitolon’” antoko: miantso antsika hiaraka Aminy 
toy ny sakaiza Izy, mba hihavao ny fiainantsika. Ary mipoitra ho azy ho zava-baovao mahafaly avy amin’io fisakaizana io ny fijoroana ho vavolombelona : fisakaizana tsy manam-paharoa, manome antsika ny fiombonana amin’Andriamanitra; fisakaizana mahatoky hahitantsika ny fahamendrehantsika sy ny fahamendrehan’ny hafa; fisakaizana mandrakizay, ka na ny fahafatesana aza tsy maharava azy, satria ao  amin’ilay Nofantsihana nitsangan-ko velona ny fiaviany.

Hodinihintsika ny hafatra navelan’i Joany apôstôly ho antsika ao amin’ny faran’ny Evanjely faha-efatra: “Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany.” (Jo 21,24). Fintinina ho toy ny “fijoroana ho vavolombelona”, feno fankasitrahana sy figagana, avy amin’ny mpianatra iray izay tsy nanonona ny anarany mihitsy, fa mamaritra ny tenany hoe “Ilay Mpianatra Malalan’i Jesoa” ny tantara rehetra teo aloha. Maneho fifandraisana io fiantsoana io: tsy anaran’olona fa fijoroana ho vavolombelona amin’ny fifandraisana manokana amin’i Kristy. Io no tena zava-dehibe ho an’i Joany: mpianatry ny Tompo ary mahatsapa fa tiany. Azontsika araka izany, fa ny fijoroana ho vavolombelona kristianina dia vokatry ny fifandraisan’ny finoana sy ny fitiavana miaraka amin’i Jesoa, ao Aminy no hahitantsika ny famonjena ny fiainantsika. Ry tanora malala, ho anareo koa ireo voasoratr’i Md Joany ireo. Asain’i Kristy hanaraka Azy sy hipetraka eo anilany ianareo, mba hiaino ny fony sy hizara akaiky ny fiainany! “Mpianatra Malala” ny tsirairay ho Azy, ary teraka avy amin’izany Fitiavana izany ny hafaliana hijoro ho vavolombelona.

Vavolombelona nahery fon’ny Evanjely iray hafa , i Joany Baptista, ilay mpialoha lalana an’i Jesoa, izay nijoro ho “vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan'ny olon-drehetra noho ny teniny” (Jo 1,7). Na dia fantan-daza teo anatrehan’ny vahoaka aza izy, dia fantany tsara fa “feo” hanambara ny Mpamonjy ihany izy: “Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra” (Jo 1,36). Mampahatsiahy antsika ny ohatra nomeny fa tsy manana tanjona hijanona eo ambony midongy sehatra, tsy mikatsaka ny hisarika ny mpianatra ho azy ny vavolombelona marina. Manetry tena sy manana fahafahana anaty, amin’ny tenany aloha, izany hoe amin’ny fiheverana ho ivon’ny fijery ny tena vavolombelona. Noho izany, mihaino an-kalalahana izy, mamakafaka ary milaza ny marina amin’ny rehetra , na dia manoloana ireo manam-pahefana aza. Ampianarin’i Joany Baptista antsika fa tsy fanambaràna ny tenantsika ary tsy mankalaza ny fahaizantsika ny lafiny ara-panahy, ara-
tsaina na ny lafin’ny fitsipi-pitondran-tena ny fijoroan’ny kristianina ho vavolombelona. Miompana amin’ny fahalalana sy ny fampisehoana an’i Jesoa, ilay hany mpamonjy antsika ny fijoroana ho vavolombelona tena izy, rehefa miseho. Fantatr’i Joany teo anivon’ny mpanota Izy, niditra tao amin’ny fiainana iombonana amin’ny olombelona rehetra. Izany no nahatonga ny Papa Fransoa nanamafy fa: sady tsy mihaona amin’i Kristy isika no tsy mijoro ho vavolombelony raha tsy mivoaka amin’ny tenantsika sy amin’ny faritra mampiadam-pinaritra, raha tsy mankany amin’ireo mahantra sy izay mahatsiaro tena ho voahilika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Very ny hafaliana mamy nandray ny Evanjely sy hitory ao amintsika.

Ry namana malala, manasa anareo tsirairay avy aho mba hanohy ny fikarohana ireo namana sy vavolombelon’i Jesoa ao amin’ny Baiboly. Ho tsapanareo eo am-pamakiana ny Evanjely fa nahita ny tena hevitry ny fiainana tamin’ny fifandraisany mavitrika tamin’i Kristy izy rehetra. Satria, tsy ho heno na hisy valiny ao amin’ny fijerena sy fanarahana tsy misy farany ny findaintsika, izay mangeja ny fifantohana, mahatonga ny saintsika ho reraka sy ny fontsika ho foana tsy misy na inona na inona. Tsy mitondra antsika lavitra ireny raha kobonintsika ao amintsika ihany na anaty faribolana tery loatra. Mandalo mandrakariva amin’ny fivoahana amin’ny tenantsika ny fahatanterahan’ny tena faniriantsika.

Vavolombelona, noho izany misiônera

Noho izany, azonareo tanora atao, omban’ny fanampian’ny Fanahy Masina, ny ho tonga misiôneran’i Kristy manerana izao tontolo izao. Maro amin’ny tanora toa anareo no iharan’ny herisetra, noterena hampiasa fitaovam-piadiana, voatery misaraka amin’ny havany, mifindra monina ary mitsoa-ponenana. Maro ireo tsy afa-misitraka fanabeazana sy ny zavatra hafa maro tena ilaina. Iombonan’izy rehetra ireo aminareo ny fitadiavana ny dikan’ny fisiana sy ny tsy fandriam-pahalemana manaraka izany, ny tebiteby manoloana ny tsindry ara-piaraha-monina na arak’asa mitombo hatrany, ny fahasarotana miatrika ny fotoan-tsarotra sedrain’ny fianakaviana, ny fihetseham-po mampijaly noho ny tsy fisian’ny soa fanararaotra, ny nenina noho ny tsy nety natao. Afaka mipetraka eo anilan’ireo tanora hafa ianareo, miara-dia amin’izy ireo ary maneho aminy fa, ao amin’i Jesoa, dia nanakaiky ny olona tsirairay Andriamanitra. Araka ny tian’ny Papa Fransoa lazaina hoe: “Asehon’i Kristy fa akaiky Andriamanitra, miombona, ary maneho fitiavana” (Taratasy ansiklika Dilexit nos. n. 35).

Tena marina fa tsy mora mandrakariva ny mijoro ho vavolombelona. Hitantsika matetika ao amin’ny Evanjely ny fifandirana amin’ny fandraisana sy ny fandavana an’i Jesoa: “Mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina.” (Jo 1,5). Toy izany koa, miaina mivantana ny andram-piainan’ny fandavana ary indraindray aza fanoherana mahery herisetra ny mpianatra-vavolombelona. Tsy manafina an’izany zava-misy mampijaly izany ny Tompo: “Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo” (Jo 15,20). Izany indrindra no fotoana fanararaotra hampiharana ilay didy fara-tampony: “Tiavo ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo” (Mt 5,44). Izany no nataon’ireo martiry hatramin’ny fiandohan’ny Eglizy.

Ry tanora malala, tsy momba ny lasa ihany izany tantara izany. Mandraka ankehitriny, amin’ny toerana maro eto amin’izao tontolo izao, mbola betsaka ny mijaly noho ny fanenjehana, ny lainga sy ny herisetra. Mety efa tratran’io traikefam-piainana mampijaly io koa ianareo, ary eo am-pandraisana ny toeran’ireo izay manilika anareo, eo am-panehoana toetra amam-pihetsika masiaka dia mety ho efa nalaim-panahy, hamaly amim-pomba tsy voahevitra ianareo. Tadidiontsika anefa ny toro-hevitra feno fahendrena avy amin’i Md Paoly: “Aza mety ho resin'ny ratsy,  fa reseo amin'ny soa ny ratsy” (Rom 12,21)

Koa aza kivy : toy ireo olomasina, dia voaantso haharitra amim-panantenana ihany koa ianareo, indrindra manoloana ny fahasarotana sy ny sakantsakana.

Ny fifankatiavana toy ny rohin’ny fiadanana

Teraka avy amin’ny fifankatiavana amin’i Kristy, izay fanomezan’ny Fanahy Masina ao amintsika, ny fomba fiaina manana endrika firahalahiana. Mitondra hatraiza hatraiza ny “hafanana” sy ny “tsiron’”ny fihavanana ny tanora iray nihaona tamin’i Kristy, ary na iza na iza mifandray aminy dia voasarika amina lafin-javatra vaovao sy lalina. Manakaikeza ny hafa maimaim-poana, mangoraha amin’ny fo mahitsy, tiava tanteraka. Asain’ny Fanahy Masina hijery ny namantsika amin’ny fijery vaovao isika: misy rahalahy, misy rahavavy ao amin’ny hafa. Manandratra antsika ambony noho ny tsy firaharahana ny hafa sy ny hakamoana ara-panahy, manampy antsika handresy ny fikombonantsika sy ny fiahiahiantsika lalina ny fijoroana ho vavolombelon’ny fihavanana sy ny fiadanana ateraky ny fisakaizantsika amin’i Kristy. Mampanakaiky ny hafa koa ny fijoroana ho vavolombelon’ny fihavanana sy ny fiadanana, manosika antsika amin’ny fiarahana mandray
andraikitra, amin’ny filatsahana an-tsitrapo amin’ny fiantrana ara-politika, mba hanorenana toe-piainana vaovao ho an’ny rehetra. Aza manaraka ny olona mampiasa ny tenin’ny finoana mba hampisarahana: mifandamìna ianareo mba hanafoanana ny tsy fitoviana ary hampihavanana ireo ankohonam-piainana voageja sy tsy mahalala afa-tsy ny ho azy ihany. Noho izany, ry namana malala, henoy ny feon’Andriamanitra ao anatintsika ary reseo ny fitiavan-tenantsika eo am-panjariana ho mpandrary fiadanana mavitrika. Amin’izay dia ho hita eran’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona iombonan’ireo izay mitondra ny Fanahy ao am-pony io fiadanana izay fanomezana avy amin’ny Tompo nitsangan-ko velona (jer Jo 20,19) io.

Ry tanora malala, manoloana ny fijaliana sy ny fanantenan’izao tontolo izao, afantohy amin’i Jesoa ny fijerintsika. Rehefa hiala aina teo ambony hazofijaliana iny Izy no nanankina an’i Maria Virjiny an’i Joany mba ho Reniny ary izy (i Joany) mba ho zanany. Ho an’ny mpianatra tsirairay, ho antsika rehetra, ity fanomezana faratampon’ny fitiavana ity. Koa manasa anareo aho mba handray io rohy masina miaraka amin’i Masina Maria, Reny feno fitiavana, mahazo izay ambara aminy, amin’ny fikolokoloana izany indrindra ny vavaka Raozery. Ka ho tsapantsika isaky ny tranga-piainana fa tsy irery na oviana na oviana isika, fa zanaka tiana mandrakariva, voavela ary ankaherezin’Andriamanitra. Ijoroy ho vavolombelona amin-kafaliana izany!

Vatikana, 7 ôktôbra 2025, Fahatsiarovana an’i Masina Maria Virjiny Mpanjakavavin’ny Raozery.
PAPA LEON faha-14

Dikan-teny ofisialy navoakan’ny - Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (FEM)
- Vovonam-pirenena Katolikan’ny Tanora (VPKT)
----------------------------------------------
Imprimatur : SE Mgr Jean Nicolas RAKOTOJAONA
Evekan’ny CEPAL miahy ny Tanora
Eveka Mpanampy Morondava

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.01