Hafatry ny Papa andro maneran-tany ho an’ny tanora faha-35 - Sampankazo 2020

Nampiditra : admin
Daty : 05/04/2020

« Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7,14)
Ry tanora malala,
Tamin’ny Oktobra 2018, niaraka tamin’ny sinaodan’ny Eveka momba ny lohahevitra “ny tanora, sy ny finoana ary ny fandalinana ny antson’Andriamanitra” ny Eglizy no nanao dingana momba ny fandalinana ny zava-misy iainanareo amin’izao tontolo ankehitriny izao, momba ny fikarohanareo ny dikan’ny fiainana sy ny kasainareo eo amin’ny fiainana, momba ny fifandraisanareo amin’Andriamanitra. Tamin’ny Janoary 2019, nihaona tamin’ny tanora mitovy taona aminareo aman’hetsiny avy amin’izao tontolo izao aho, nivory tao Panama, tamin’ny andro eran-tany ho an’ny tanora. Ny tranga toy ireny- sinaody sy JMJ- dia maneho ny maha-zava-dehibe ny Eglizy: “miaraka mizotra”
Amin’io lalana io, isaky ny mahatratra (vato manamarika ny halavilaran-dalana vita)dingana iray lehibe isika, dia asain’Andriamanitra sy ny fiainana miatrika fanamby hiainga indray. Havanana amin’izany ianareo, ianareo tanora! Tianareo ny mandeha, mihaona amin’ny toerana sy endrika mbola tsy hitanareo teo aloha, miaina traikefa vaovao. Izany no nifidianako ho tanjona amin’ny fivahinianana iraisan’ny kontinanta manaraka, amin’ny taona 2022, any amin’ny tananan’i Lisbonne, renivohitr’I Portugal. Tao, tamin’ny taon-jato faha-15 sy faha-16, maro ny tanora, betsaka ny misionera tamin’izy ireo, no nandeha tany amin’ny tany tsy fantatra, mba hizara ihany koa ny traikefam-piainana miaraka amin’i Jesoa sy ny mponina ary ny firenena hafa. Ny lohahevitry ny JMJ any Lisbonne dia hoe: “Niainga i Maria, ary lasa nandeha haingana” ( Lk 1, 39). Nandritra ny taona roa nifanaraka, dia mandinika miaraka aminareo aho momba ny lahatsoratra roa hafa tao amin’ny Baiboly : “ Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangana!” ( Lk. 7, 14), ny taona 2020 ary “ Mitsangana fa izaho no hanendry anao ho vavolombelon’ny zavatra efa hitanao!”( Asa 26, 16), ny taona 2021.
Araka ny hitanareo, ny voambolana iombonan’ireo lohahevitra telo ireo dia hoe: mitsangana, Io fomba fiteny io dia misy heviny ihany koa hoe mitsangan-ko velona, mifoha ho amin’ny fiainana. Teny miverimberina ao amin’ny taratasy fanentanana apostolika Christus vivit 2
(Velona I Kristy) izay natokako ho anareo taorian’ny sinaody tamin’ny 2018, ary, tao amin’ny tahirin-kevitra farany, ny Eglizy no nanolotra anareo tari-dalana hanazava ny lalam-piainanareo. Manantena amin’ny foko rehetra aho fa ny lalana mitondra anareo ho any Lisbonne dia mifandraika, ao amin’ny Eglizy manontolo, amin’ny firotsahana mavitrika ho amin’ny fanatanterahana ireo tahirin-kevitra roa ireo, hitodika amin’ny iraka ho an’ireo mpanentana amin’ny pastoralin’ny tanora.
Ndeha amin’izay hijery ny lohahevintsika amin’ity taona ity: « Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna ! » (Lk 7, 14). Efa nolazaiko io andinin’ny Evanjely io tao amin’ny Christus vivit: “Raha very fanahy ianao, nofy, hafanam-po, fanantenana, fahalalan-tanana, Jesoa tonga eo aminao, toy ilay nataony amin’ny fahafatesan’ny zanak’ilay vehivavy nananon-tena, ary miaraka amin’ny herin’ny Fitsanganan-ko velona ny Tompo no mankahery : “ry zatovo, izaho mandidy ianao, mitsangàna” (lah.20).
Mitantara amintsika io andalana io ny fomba nataon’I Jesoa, niditra ilay tanana kely tao Naïm, ao Galilée, nifanena tamin’ireo mpandevina mitanjozotra nitondra ny tovolahy halevina, zanaka lahitokan’ilay reny mananon-tena. Jesoa, nangoraka noho ny fahoriana mahavaky fo nahazo ity vehivavy ity, ka nanao fahagagana ary nanangana ho velona ilay zanany. Nefa, io fahaganana io dia taorian’ny fihevitra sy fihetsika: “Nony nahita an-dravehivavy, nangoraka ny Tompo ka nanao taminy hoe: “aza mitomany”. Nanatona izy ka nanendry ny tranovorona dia nijanona ny mpilanja” (Lk. 7, 13-14). Hijanona kely isika handinika momba ny fihetsika sy tenin’ny Tompo sasany.

MIJERY NY FIJALIANA SY NY FAHAFATESANA

Nijery amim-pitandremana ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa ary tsy nidonàka. Tao afovoan’ireo vahoaka no nahitany ny endrik’ilay vehivavy ao anatin’ny fijaliana mafy. Niteraka fihaonana io fijeriny io, loharanon’ny fiainam-baovao. Tsy nilàna teny maro.
Ary ny fijeriko, manao ahoana? Mijery amin’ny maso amim-paharetana ve aho, sa amin’ny fomba izay mamadibadika haingana ny sary amin’arivony ao amin’ny finday na ny sary famantarana amin’ny tambazotra sosialy? Impiry isika no vavolombelona manatri-maso tranga maro, nefa toa tsy miaina izany mivantana! Indraindray ny ataontsika voalohany dia ny maka sary ny tranga amin’ny finday, angamba tsy te hijery amin’ny maso ilay olona voakasika izany.
Manodidina antsika, na indraindray ao amintsika ihany koa, mifanehatra amin’ny trangam-pahafatesana isika: ara-batana, ara-panahy, ara-pihetsem-po, ara-piaraha-monina. Tsapantsika ve izany na hoe miantraika amintsika ny vokatr’izany? Nisy zavatra azontsika natao ve hamerenana ny aina?
Mieritreritra ireo toe-javatra ratsy iainan’ny tanora namanareo aho. Misy, ohatra izay manankina ny rehetra amin’ny ankehitriny, ka manao vy very ainy amin’ny traikefam-piainana mihoampapana.
Ny tanora sasany, mifanohitra amin’izany, maty satria very fanantenana. Henoko tamin’ny zazavavy iray : “Amin’ireo namako dia hitako nisy very hery ny hirotsaka, very herim-po ny hiarina”. Mampalahelo, amin’ireo tanora ihany koa no mihanaka ny fahakiviana izay, amin’ny tranga sasany, mety hitarika amin’ny fakam-panahy hanala ny aina. Firifiry ireo tranga tsy maha-rototra, ka mahalatsaka any anatin’ny lavaky ny tebiteby sy ny nenina! Firifiry ireo tanora mitomany izay tsy misy mihaino ny kiakan’ny fanahin’izy ireo! Manodidina azy ireo, matetika, ny fijery variana, tsy miraharaha avy amin’ireo, angamba, manararaotra ny ora mahafinaritra ka mitazan-davitra.
Misy ireo mitsipozipozy amin’ny endrika ivelany, mihevitra fa velona nefa maty ao anaty (jr. Ap 3,1). Mety vao 20 taona dia mirefarefany fiainany, tsy mifanaraka amin’ny hahavon’ny fahamendrehany. Mionona amin’ny “velombelom-poana”, mitady fankasitrahana kely: fialamboly kely, potipoti-pitiavana avy amin’ny hafa…Misy ihany koa fizahozahoana amin’ny tontolo nomerika manjavozavo izay mahazo ny tanora sy ny olon-dehibe. Maro ny miaina toy izany! Misy amin’izy ireo angamba no mivelona amin’ny fikatsahana fahafaham-po amin’ny fahafinaretan’ny harena izay tsy mihevitra afa-tsy ny hahazo vola ary hitoetra, toy ny hoe ireo ihany no tanjo-piainana. Rehefa ela ny ela, dia tsy azo idovirana ny hisehoan’ny marenina, ny tsy firaharahiana, ny fahasorenana eo amin’ny fiainana, izay mihamampitebiteby hatrany.
Io firononana ratsy io dia mety ho vokatry ny tsy fahombiazan’ny tena, rehefa ny zavatra no atao am-po, nikatrohana, no tsy mandeha intsony na tsy mahatratra ny vokatra nantenaina. Mety hiseho izany amin’ny fianarana, na amin’ny ambom-po eo amin’ny fanatanjahan-tena na zava-kanto… Ny faran’ny “nofy” dia mety hahatsapana fa maty. Ny tsy fahombiazana anefa dia tafiditra ao amin’ny fiainan’ny olombelona rehetra, nefa ihany koa mety hiseho ho fahasoavana! Matetika, ny zavatra izay heverintsika fa mahasambatra dia miseho ho fitaka sy sampy. Ny sampy dia mitaky ny rehetra avy amintsika ary mahatonga antsika ho andevo, nefa tsy manome n’inona n’inona ho takalony. Ary, farany, levona izy ka ny vovoka sy ny lavenona sisa no avelany. Amin’io heviny io, ny tsy fahombiazana, raha handrodanana sampy, dia tsara, na dia mampijaly azy.
Azontsika tohizina amin’ny trangam-pahafatesana hafa, ara-batana, ara-moraly, izay mety iainan’ny tanora, toy ny fiakinan-doha, ny heloka bevava, ny fahoriana, ny aretina lehibe… Avelako ianareo hieritreritra ny momba anareo sy hisaintsaina izay mahatonga ny “fahafatesana”, ao aminareo na ao amin’ny iray amin’ireo akaikinareo, ankehitriny na tamin’ny lasa. Miaraka amin’izay, tadidio fa ity zazalahy nolazain’ny Evanjely ity, izay tena maty tokoa, dia niverina ny aina satria nojeren’ ilay Olona tia ny hahavelomany izy. Mbola mety ho tanteraka izany ankehitriny, ary isanandro.

MANGORAKA

Ny Soratra masina dia mitantara matetika ny fihetseham-pon’ireo izay manaiky ho voatohina “hatrany amin’ny aty fanahiny” ny fahorian’ny hafa. Ny fihetsem-pon’i Jesoa dia nahatonga azy handray anjara amin’ny trangam-piainan’ny hafa. Noraisiny ho azy ny fahorian’ny hafa. Tonga fijaliany ny fahorian’ity reny ity. Lasa fahafatesany ny fahafatesan’ilay zaza.Amin’ny fotoana maro ianareo, ry tanora, no miseho fa mahay mangoraka. Ampy ny mijery hoe firy aminareo no manolo-tena amin-kahalalam-po rehefa misy fotoana ilàna izany. Tsy misy loza, horohoron-tany, tondran-drano, tsy ahitana andiana tanora milatsaka an-tsitrapo vonona ny hanampy. Toy izany koa ny fifamitaonana lehibe ataon’ny tanora te hiaro ny zavaboahary izay maneho ny fahafahanareo mihaino ny kiakan’ny tany.
Ry tanora malala, aza avela hisy handrombaka izany hamoram-ponareo izany! Meteza ianareo hihaino ny fitarainan’ireo izay mijaly; meteza ho tohinin’ireo izay mitomany sy maty amin’izao tontolo ankehitriny izao. “ny trangam-piainana sasany dia tsy hita raha tsy amin’ny maso voasasan’ny ranomaso” (Christus vivit, n.76). Raha hainareo ny mitomany miaraka amin’ireo izay mitomany, dia ho sambatra tokoa ianareo. Maro amin’ireo mitovy aminareo no tsy manana fahafahana, iharan’ny herisetra, ny fanenjehana. Ny ratrany anie ho tonga ho anareo, ary ianareo no ho mpitondra fanantenana eto amin’ izao tontolo izao. Afaka hilaza amin’ny rahalahinareo, sy anabavinareo ianareo hoe: “ Mitsangàna ianao, tsy irery ianao”, sy haneho fa Andriamanitra Ray tia antsika ary i Jesoa no tanany mitsotra hanarina antsika.
Manakaiky sy “mitsapa” mampijanona ireo mpandevina mitanjozotra i Jesoa. Manatona izy, mankaiky. Ny fanakaikezana no manosika antsika handroso sy lasa fihetsika be herim-po mba hahavelona ny hafa. Fihetsiky ny mpaminany. Ny fifandraisan’i Jesoa, ilay Velona, no mampita ny aina. Fifandraisana izay mampiditra ny Fanahy Masina ao amin’ny vatana matin’ilay zazalahy sy mamelona ny ain-dehibeny.
Io fifandraisana io no maninteraka amin’ny trangan’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana. Io ilay fifandraisan’Andriamanitra izay mandala ihany koa amin’ny tena fitiavan’olombelona sy misokatra amin’ny habaka tsy hay heverin’ny fahafahana, ny fahamendrehana, ny fanantenana, ny fiainam-baovao sy feno. Ny fahombiazan’ity fihetsik’i Jesoa ity dia tsy azo saintsainina. Mampahatsiahy antsika izy fa na dia famantarana maneho fanakaikezana, tsotra nefa azo tsapain-tanana, dia mety hiteraka hery ho amin’ny fitsanganan-ko velona.
Eny, ianareo ihany koa, ry tanora, afaka manakaiky ny trangam-pahoriana, sy ny fahafatesana izay sendra anareo, azonareo tsapaina ireo ary afaka manome aina ianareo toa an’i Jesoa. Mety ho tanteraka izany noho ny Fanahy masina, raha toa ianareo aloha ho tohinin’ny fitiavany, raha toa ny fonareo nohalefahan’ny fiainana ny halemem-panahiny tao aminareo. Noho izany, raha mahatsapa ianareo ao anatinareo ny hamorampon’Andriamanitra
mitaintaina ho an’ireo zavaboahary velona, indrindra ireo rahalahy noana, mangetaheta, marary, tsy mitafy, migadra, dia afaka manakaiky toa izany ianareo, mitsapa toa azy, ary mampita aina amin’ny namanareo izay maty ao anaty, mijaly na very finoana sy fanantenana.

RY ZATOVO, IZAHO MANDIDY ANAO, MITSANGÀNA!”

Tsy nilaza ny anaran’ilay zazalahy natsangan’I Jesoa ho velona tao Naïm ny Evanjely. Fanasana ny mpamaky io handray azy ho toy ny tenany. Miteny aminao i Jesoa, amiko, amin’ny tsirairay amintsika, ary miteny hoe: “Mitsangàna ianao!” fantantsika tsara fa isika, ihany koa, ny kristianina dia lavo, ary tokony hiarina mandrakariva. Ireo izay tsy mandeha ihany no tsy lavo, nefa tsy mandroso ihany koa. Noho izany tsy maintsy mandray ny asan’i Kristy ary maneho asam-pinoana an’Andriamanitra. Ny dingana voalohany dia manaiky ny hiarina. Ny fiainam-baovao izay homeny antsika dia tsara sy mendrika iainana, satria hotohanan’ily Olona izay hanjohy antsika ihany koa amin’ny ho avy, ary tsy handao antsika na oviana na oviana, hanampy antsika handany ny androm-piainantsika amin’ny fomba mendrika sy mahavokatra.
Tena zava-boahary vaovao izany, fahateraham-baovao.Tsy fanamboaran-tsaina izany. Mety, amin’ny fotoan-tsarotra, ny maro aminareo naheno teny “majika” miverimberina izay firononana amin’izao fotoana izao sy tokony hahavaha ny olana rehetra dia ny hoe: “Tokony hatoky tena ianao”, “Tokony ao aminao no hahitanao ny haren-tsaina”, “tokony ho fantatrao ny angovo mahomby ao aminao” … Nefa dia teny ihany ireo ary ho an’ireo izay tena “maty ao anaty” dia tsy mandaitra ireo. Hafa ny halalin’ny Tenin’I Kristy, ambonin’ny zavatra rehetra izy. Tenin’Andriamanitra sy mpahary izy, izay izy irery ihany no afaka mamerina indray ny aina izay efa maty.

NY FIAINAM-BAOVAON’NY FITSANGANA-KO VELONA

“Niteny” (Lk 7,15) ilay tanora, hoy ny Evanjely? Fihetsika voalohan’ny olona voakasika sy naverin’I Kristy amin’ny aina dia ny miteny, miseho tsy amin-tahotra ary tsy manano sarotra amin’izay misy azy, ny maha-izy azy, ny faniriany, ny filàny, ny nofiny. Angamba mety mbola tsy nataony izany teo aloha, satria resy lahatra izy fa tsy misy olona afaka nahazo azy!
Ny miteny dia midika hoe mifandray amin’ny hafa. Rehefa “maty dia mikatona ao amin’ny tena, tapaka ny fifandraisna na lasa misavoamboana, tsy mari-pototra, mihatsara ivela-tsihy. Rehefa mamelona antsika indray I Jesoa, dia manolotra antsika amin’ny hafa (jr. and. 15)
Matetika, ankehitriny, misy ny “fifanohizana” fa tsy misy fifandraisana. Ny fampiasana ny fitaovana elektronika, rehefa tsy mifandanja, dia mety hahatonga antsika hifantoka amin’ny efi-jery. Amin’ity hafatra ity dia tiako ny mametraka, miaraka aminareo tanora , ny fanamby amin’izao kihon-dalan’ny kolo-tsaina izao manomboka amin’ity hoe “Mitsangàna ianao!”-n’i Jesoa ity. Kolo-tsaina izay maniry ny tanora hitokana sy hikombona ao amin’ny tontolo virtoaly, andeha hahelintsika ity tenin’i Jesoa ity “Mitsangàna ianao!”. Fanasana hisokatra amin’ny zava-misy izay mihoatra lavitra noho ny virtoaly. Tsy midika akory izany hoe mankahala ny technologie, fa mampiasa azy ho toy ny fitaovana fa tsy ho toy ny tanjona. “Mitsangàna ianao” midika ihany koa hoe “nofy”, “loza mitatao”, “mandraisa andraikitra ianao mba hanova izao tontolo izao”, velombelomy ny fanirianao”, banjino ny lanitra, ny kintana, ny tontolo manodidina anao. “Mitsangàna-ianao, dia ho tonga amin’izay maha-izy anao”. Noho io hafatra io, maro amin’ny endrika kivin’ireo tanora manodidina antsika no mihavelom-bolo ary miha-tsara kokoa noho ny zava-misy eo amin’ny tontolo virtoaly.
Satria raha manome aina ianao, dia misy olona mandray izany. Tovovavy iray nilaza hoe: “Mitsangana eo am-pandriana ianao, raha mahita zavatra tsara, ary raha tapa-kevitra hanao toy izany koa”. Tsara ny manaitra ny firehetam-po. Ary rehefa ny tanora no tena tia zavatra iray, na tsara kokoa, olona iray, mitsangana izy amin’ny farany ary manomboka manao zavatra lehibe; niala tamin’ilay fahafatesany teo, ary mety ho tonga vavolombelon’I Kristy sy manome ny ainy ho azy.
Ry tanora malala, inona no firehetam-po ao aminareo sy ny nofinareo? Asehoy izy ireo, ary amin’ny alalan’izany, manolora amin’izao tontolo izao, an’ny Eglizy, an’ny tanora hafa, zavatra tsara ao amin’ny tonotolo ara-panahy, ara-java-kanto, ara-piaraha-monina. Averiko aminareo amin’ny fitenin-dreniko : hagan lio! Mandrenesa ianareo. Henoko tamin’ny tanora iray ity : « Raha i Jesoa no olona tsy nihevitra afa-tsy izay momba azy, dia tsy nitsanga-ko velona ny zanak’ilay vehivavy mpananon-tena!”
Namerina azy tamin’ny reniny ny fitsanganan-kovelon’ilay zatovo. Amin’io reny io dia afaka mahita an’i Maria isika, renintsika hanankinantsika ny tanora maneran-tany. Izy, no hahafahantsika ihany koa mankasitraka ny Eglizy izay te handray amin-kalem-panahy ny tanora zanany tsirairay, tsy misy voahilika na iray aza. Hitalahontsika noho izany i Maria ho an’ny Eglizy, mba ho reny mandrakariva izy manoloana ireo zanany maty sy mitomany ary miandrandra fiteraham-baovao. Ho an’ireo zanany rehetra maty, dia maty ihany koa ny Eglizy, ary ho an’ireo zanany mitsangan-ko velona dia mitsangan-ko velona ihany koa ny Eglizy.
Mitso-drano ny lalanareo aho. Ary ianareo, miangavy anareo aho, aza adinoina ny mivavaka ho ahy.
Nomena tao Roma, tao amin’ny Md Jean de Latran , ny 11 febroary 2020

Hampiditra hevitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1419 s.] - Hanohana anay