Hafatry ny Papa ho an'ny andron'ny marary 2025

11 febroary, 2025

“Ny fanantenana tsy mba manodoka” (Rm 5,5) ary manome hery antsika amin’ny andro fitsapana

Ry rahalahy sy anabavy malala,

Ankalazaintsika, amin’izao taon-jobily 2025 anasan’ny Eglizy antsika ho tonga

« mpivahinin’ny fanantenana » izao ny Andro maneran-tany faha 33 ho an’ny marary. Mitantana antsika amin’izany ny Tenin’Andriamanitra. Mahabe fanantenana antsika ny hafatr’i Masindahy Paoly, manao hoe : “Ny fanantenana tsy mba manodoka” (Rm 5,5), manome hery antsika amin’ny andro fitsapana ny fanantenana.

Mitondra fiononana izany fitenenana izany, nefa mety hiteraka fanontaniana koa, indrindra eo amin’ny olona ianjadiam-pahoriana. Ahoana, ohatra, no hananana hery rehefa lazoin’aretina mafy, mitondra takaitra iny ny vatantsika, ary ny sandan’ny fitsaboana aza (angamba) dia tsy ho takatry ny enti-manana? Ahoana no hananana tanjaka, raha ankoatra ny fijaliantsika manokana, dia hitantsika ny fijalian’ireo olona tia antsika sy akaikintsika tsy manana hery hanampiana antsika? Ao anatin’izany toe-javatra iainantsika izany indrindra no hahatsapantsika fa mila fanampiana lehibe kokoa noho ny tenantsika isika : mila ny fanampian’Andriamanitra isika, ny Fahasoavany, ny Fitahiany, io Hery izay fanomezan’ny Fanahy Masina io. (Jer. Katesizin’ny Fiangonana Katolika, 1808).

Mijanona kely àry isika handinika ny maha eo anilan’ireo izay mijaly an’Andriamanitra, indrindra amin’ireto lafy telo mampiavaka azy ireto : ny fihaonana, ny fanomezana ary ny fifampizarana.

1. Ny fihaonana. Rehefa maniraka ny mpianany roa amby fitopolo i Jesoa (jer. Lk 10,1-9) dia mampirisika azy ireo hilaza amin’ny marary hoe: “Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra” (and. 9). Izany hoe, mangataka azy ireo Izy mba hanampy ireo marary hahita ao anatin’ny fahosana, na dia mampangirifiry sy sarotra takarina aza izany, irika hihaona amin’ny Tompo. Ao amin’ny aretina manko, andaniny, no ahatsapantsika ny faharefoantsika rehetra amin’ny maha zavaboary antsika, vatana, saina, fanahy; ankilany, kosa dia iainantsika ny fahatsapana fa akaiky antsika Andriamanitra sy ny fangorahany, Izy izay nizara ao amin’i Jesoa ny rofintsika. Tsy mamela antsika ho irery izy, ary matetika no manampoka antsika amin’ny fanomezana ny fikirizana izay tsy ninoantsika velively ny hanana azy ary tsy ho hitantsika amin’ny herin’ny tenantsika na oviana na oviana.

Noho izany, ny aretina dia sady lasa antony miteraka fihaonana manova antsika, no nahitana ny vatolampy tsy mikoro azontsika ifikirana eo am-piatrehana ny onjam-piainana. Andram-piainana mahatonga antsika hatanjaka izany na dia eo aza ny fangirifiriana, satria miha mahatsapa isika fa tsy irery.

Izany no ilazana fa mitondra ao aminy mandrakariva ny misterin’ny famonjena ny fijaliana: mamela antsika hiaina ny maha akaiky sy maha marina ny fankaherezana avy amin’Andriamanitra izy, ka tonga “mahafantatra ny hafenoan’ny Evanjely miaraka amin’ny fampanantenany rehetra sy ny fiainany”. ( Md Joany Paoly II, Lahateny ho an’ny tanora, Nouvelle-Orléans, 12 septambra 1987).

2. Izany no mitondra antsika ho amin'ny lalam-pandinihana faharoa : ny fanomezana. Tsy misy afa-tsy ao amin’ny fijaliana no ahatsapantsika lalina fa avy amin’ny Tompo ny fanantenana rehetra, izay fanomezana raisina aloha ary kolokoloina avy eo, araka ny filazan’i Madeleine Delbrél azy amin’ny fomba kanto, manao hoe : “Matoky ny tsy fivadihan’Andriamanitra”. (jer. Nous autres, gens des rues, Livre de vie, 1966).

Fanampin’izany, ao amin’ny fitsanganan’i Kristy ho velona ihany no hahitan’ny anjarantsika manontolo ny toerany, ao amin’ny tontolo tsy manam-petra sy mandrakizay. Ny Paka ihany no manome antoka antsika fa na inona na inona, “na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra” (Rm 8,38-39 ).

Ny loharanom-pahazavana rehetra manampy antsika hihoatra ny fitsapana sy ny zava-tsarotra eo amin’ny fiainana dia teraka avy amin’io “fanantenana lehibe” io (jer. Benoît XVI, Lett. enc. Spe salvi, 27.31). Ankoatra izay, Ilay Nitsangan-ko velona miara-dia amintsika dia nanao ny tenany ho mpiara-dalana amintsika, tahaka izany Izy ho an’ny mpianatra tany Emaosy (jer. Lk 24,13-53). Toa ireo mpianatra ireo dia azontsika atao ny mizara Aminy ny tebitebintsika, ny ahiahintsika ary ny fahadisoam-panantenantsika, azontsika atao ny mihaino ny Teniny izay hanazava sy hampirehidrehitra ny fontsika.

Azontsika atao ny mamantatra Azy eo amin’ny famakiana ny Mofo, eo amin’ny fahatsapana fa miaraka amintsika Izy ankehitriny sy amin’ny hoavy, io “hoavy” io no manome herim-po sy fahatokisana antsika indray noho ny fifanatonana.

3. Tonga eto amin'ny lafiny fahatelo isika, dia ny fifampizarana. Ny toerana misy fijaliana matetika dia zary toeran’ny fifampizarana, ny fifanohanana. Impiry moa isika no mianatra manantena eo andoha-fandrian’izay marary! Impiry no mianatra mino amin’ny fijanonana eo akaikin’ireo mijaly! Impiry no mahita fitiavana amin’ny fitodihana hanampy an’ireo sahirana! Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe nanjary “anjelin’ny” fanantenana isika, samy irak’Andriamanitra ho an’ny hafa, miara-dia : ny marary, ny mpitsabo, ny mpitsabo mpanampy, ny fianakaviana, ny namana, ny pretra, ny relijiozy; any amin’ny toerana rehetra : ao amin'ny fianakaviana, trano fitsaboana, tobim-pahasalamana, hôpitaly ary toeram-pitsaboana.

Tena zava-dehibe ny fahaizana mandray ny hakanton’ireny fihaonan’ny fahasoavana ireny sy ny halaliny ary ny mianatra mandraikitra izany ao amin’ny fanahy mba tsy ho hadino: mitahiry ao am-po ny tsiky feno hatsaram-panahin'ny mpikarakara, ny fijery feno fankasitrahana sy fahatokisan’ny marary, ny endrika miantra sy vonon-kisahiran’ny dokotera na ny mpilatsaka an-tsitrapo; ny endrika feno fiandrasana sy ahiahin’ny vady, ny zanaka, ny zafikely, ny namana tsy foy. Ireny rehetra ireny no hazavana izay tokony hokajiana fatratra ny fitehirizana azy, na dia ao anaty haizin’ny fitsapana aza, satria tsy manome hery fotsiny izy ireny fa mampianatra ny tena tsiron’ny fiainana, amin’ny alalan’ny fitiavana sy ny fanakaikezana (jer. Lk 10, 25-37).

Ry marary, ry rahalahy sy anabavy malala izay manolo-tanana mikarakara an’ireo mijaly, lehibe lavitra noho ny hatramin’izay ny andraikitra sahaninareo amin’izao taon-Jobily izao. Ny fiarahan-dianareo amin’ny hafa dia famantarana ho an’ny tsirairay, “antsan’ny fahamendrehan’ny olombelona, hiran’ny fanantenana” (Bulle Spes non confundit, n. 11), ka manako any ivelan’ny efi- trano sy ny fandriana ao amin’ny toeram-piasana misy anareo ny feo.

Manentana sy mampirisika ao amin'ny fitiava-namana "ny fiarahamonina manontolo mba hiara-hientana" (ibid.) ianareo, amin'ny "amboaram-peon-kira izay mazàna sarotra ny mamolavola azy kanefa malefaka sady matanjaka, ka noho

izay antony izay indrindra dia afaka mitondra hazavana sy hafanana any amin'izay tena mila izany.

Misaotra anareo ny Eglizy manontolo! Misaotra anareo koa aho ary mivavaka ho anareo, amin’ny fanankinana anareo amin'i Masina Maria, Fahasitranan’ny marary, amin'ny alalan'ny teny miantefa aminy (amin’i M. Maria) ataon’ireo rahalahy sy anabavy maro mila vonjy:

Izahay mifefy aminao, Reny Masin’Andriamanitra; aza manary ny fangatahanay amin’ny manjo anay, fa afaho amin’ny rofy rehetra mandrakizay izahay, ry Virjiny be voninahitra sy be hasoavana.

Mitso-drano anareo sy ny fianakavianareo ary ny olon-tianareo aho, ary mangataka aminareo, raha sitrakareo, aza hadinoina ny mivavaka ho ahy.

Roma, Saint Jean de Latran, 14 janoary 2025

Fransoà


Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0933