Andao hiara-dia ao anatin’ny fanantenana
Ry rahalahy sy anabavy malala
Miaraka amin’ny fanosorana lavenona eo amin’ny handrina izay famantaram-pibebahana, dia atombotsika am-pinoana sy ao anatin’ny fanantenana ny fivahinianana masin’ny Karemy isan-taona. Manasa antsika hanomana ny fontsika sy hanokatra antsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, mba ho afaka hankalaza amin-kafaliana ny fandresen’ny pakan’i Jesoa Kristy ny fahotana sy ny fahafatesana, ny Eglizy Reny sady Mpampianatra. Hoy i Paoly manambara izany: «Efa noresena ny fahafatesana ka levona. Ry fahafatesana ô! Aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô! Aiza ny fanindronanao?” (1Kôr 15,54-55). Araka izany, i Jesoa Kristy maty sy nitsangan- ko velona no ivon’ny finoantsika sy miantoka ny fampanantenana lehiben’ny Ray izay tsy inona fa ny fiainana mandrakizay efa tanteraka ao amin’ny Zanany malala (Jer. Jo 10,28; 17,3).
Amin’izao karemy hamafisin’ny fahasoavan’ny taon-jobily izao dia te hanolotra fandalinana vitsivitsy manazava ny dikan’ny hoe miara-mizotra ao anatin’ny fanantenana aho, sy ny hoe miara-mahita ireo antso ho amin’ny fibebahana izay iantefan’ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny olona rehetra, amin’ny isam-batan’olona toy ny amin’ny ankohonam-piainana.
Voalohany indrindra, mandeha. Mampahatsiahy antsika ny dia lavitra nataon’ny vahoaka Israely ho any amin’ny tany nampanantenaina, tantaraina ao amin’ny boky Eksaody, ny teny fanevan’ ny Jobily hoe “mpivahinin’ny fanantenana”: dia sarotry ny fanandevozana mankany amin’ny fanafahana, dia sitraky ny Tompo sy tantanany , Izy izay tia ny vahoakany sy tsy mivadika aminy. Ary tsy afaka hiresaka momba ny fivoahana, araka ny dikany ao amin’ny baiboly, isika raha tsy mihevitra ireo rahalahy sy anabavy, ankehitriny, izay mandositra ny fahantrana sy ny herisetra, mandeha mikaroka fiainana tsaratsara kokoa ho azy ireo sy ho an’ireo olona maminy. Miseho eto ny fiantsoana voalohany ho amin’ny fibebahana satria, mpivahiny isika amin’ny fiainana. Afaka manontany tena ny tsirairay: amin’ny fomba ahoana ny hamelako ny tenako hotohinin’izany zava- misy izany? Eny an-dalana marina ve aho sa malemy, tsy mihetsika, ao anatin’ny tahotra sy tsy manana fanantenana, na koa mipetraka ao amin’ny tontoloko milamina tsy voaelingelina? Mitady ny lalam-panafahana amin’ireo toe-pahotana sy ny tsy fisian’ny fahamendrehana ve aho? Ho fanazaran-tena tsara ho antsika amin'ny Karemy ny miatrika ny tena zava-misy iainan’ny mpifindra monina na mpivahiny, ary mamela ny tenantsika hotohinina mba hahitana izay angatahin'Andriamanitra amintsika ka ho tonga mpivahiny tsara kokoa mankany an-tranon’ny Ray. Ho “sedra” tsara ho an’ny mpandeha an-tongotra izany.
Faharoa, andao hiara-dia! Miara-dia, miaina ny sinaoda (fiarahan-dia), io no antso ho an’ny Eglizy. Voaantso hiara-dalana ny kristianina, tsy mpandeha miolonolona na oviana na oviana. Manosika antsika hivoaka ny tenantsika ny Fanahy Masina mba handeha ho any amin’Andrimanitra sy ho any amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika, ary tsy mikombona na oviana na oviana amin’ny tenantsika. Ny miara-dia dia midika ho mpandrary fihavanana manomboka amin’ny fahamendrehana maha zanak’Andriamanitra antsika (jer. Ga 3,26-28); miara-mandroso, tsy manitsaka na manjakazaka amin’ny hafa, tsy mitahiry fialonana sy tsy mitahiry fihatsarambelatsihy, tsy mamela ny hafa ho tavela any aoriana na hahatsiaro tena ho voailika. Andao hiroso amin’ny lalana tokana iraisana, ho amin’ny tanjona iombonana, amin’ny fifampihainoana am-pitiavana sy am-paharetana.
Mangataka amintsika Andriamanitra, amin’izao Karemy izao mba hijery, eo amin’ny fiainantsika, eo amin’ny fianakaviantsika, eo amin’ny toeram-piasantsika, eo amin’ny ankohonam-piangonana na ankohonan-drelijiozy misy antsika, raha mahay miara-dia amin’ny hafa isika, mihaino, mandresy ny fakam-panahy mamantsika antsika hifantoka amin’izay mahakasika antsika ihany sy ho sahirana amin’izay ilaintsika manokana fotsiny. Aoka isika eveka, pretra, olom-boatokana, lahika hanontany tena eo anatrehan’ny Tompo raha mba mahay miara-miasa amin’ny asa fanompoana ny Fanjakan’Andriamanitra; raha toa isika manana toetra tia mifandray, miaraka amin’ny fihetsika azo tsapain-tanana amin’ireo izay manatona antsika sy ireo izay lavitra koa; raha toa isika manampy ny olona hahatsapa fa anisan’ny mpikambana feno ao amin’ny ankohonam-piainana izy na anisan’ireo ataontsika an-jorombala. Io no fiantsoana faharoa: fibebahana ho amin’ny fiarahan-dia.
Fahatelo, andao hiara-dia ao anatin’ny fanantenana ny fampanantenana. Enga anie ny fanantenana tsy manodoka (jer. Rm 5,5), votoatin’ny hafatry ny Jobily, ho faravodilanitry ny lalan’ny Karemy mankany amin’ny fandresen’ny Paka. Araka ny nampianarin’ny Papa Benoît faha-16 antsika ao amin’ ny Ansiklika Spe Salvi: “Mila fitiavana tsy misy fepetra ny olombelona. Mila finoana izay mahatonga azy hiteny toy izao: “na fahafatesana, na fiainana, na Anjely na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na ireo fahefana, na ny any ambony, na ny any ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.” (Rm 8,38-39). Nitsangana tamin’ny maty i Jesoa, Fitiavana sy fanantenantsika, velona sy manjaka am-boninahitra Izy. Niova ho fandresena ny fahafatesana, ary ao no mitoetra ny finoana sy ny fanantenana lehibe ananan’ny Kristianina: Ny fitsanganan’i Kristy ho velona!
Ary izao no fiantsoana fahatelo ho amin’ny fibebahana: ny fanantenana, ny fahatokisana an’Andriamanitra sy ny fampanantenany lehibe, ny fiainana mandrakizay. Tokony hanontany tena isika hoe: Mino ve aho fa mamela ny heloko Andriamanitra? Sa hoe afaka mamonjy ny tenako samirery aho? Maniry ny hahazo famonjena ve aho ary miantso ny fanampian’Andriamanitra mba hahazoana izany? Tena iainako tokoa ve ny fanantenana izay manampy ahy hamaky ny zava-nitranga teo amin'ny tantara ary manosika ahy hiasa ho an’ny rariny, ny firahalahiana, ny fikolokoloana ny tranobe iombonana, ho malina mba tsy hisy ho voailika?
Ry rahalahy sy anabavy, noho ny fitiavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy , dia voatahiry ao amin’ny fanantenana tsy manodoka isika (jer. Rm 5,5). Ny fanantenana dia "vatofantsiky ny fanahy", azo antoka sy tsy azo hozongozonina. Ao aminy no ivavahan’ny Eglizy mba “hahavoavonjy ny olona rehetra” (1Tm 2,4) ary andraisany ny ho ao amin’ny voninahitry ny lanitra, miombona amin’i Kristy vadiny. Toy izao no ilazan’i Mb Terezin’i Jesoa azy: “Manantenà ry fanahiko, manantenà. Tsy fantatrao ny andro sy ny ora. Miambena tsara fa mandalo faingana ny zava-drehetra ka na ny tsy faharetanao aza dia miteraka fisalasalana amin’ny zavatra azo antoka ary manalava ny fotoana fohy dia fohy” (Exclamation de l’âme à son Dieu, 15, 3).
Hivavaka ho antsika sy hitantana antsika eny amin’ny lalan’ny Karemy anie i Masina Maria, Renin’ny Fanantenana.
Roma, Saint-Jean-de-Latran, 6 febroary 2025
Fahatsiarovana an’i Md Paul Miki sy ny namany martiry
FRANSOA