šš¼šš š¼ššš'šš šš¼šš¼ššššš¼šš¼ (š£š«. ššØš¦. šš,šš)
ššŗ šµš¢šÆš°š³š¢ š®š¢šš¢šš¢,
Tamin’ny volana Aogositra lasa teo, nandritra ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora tany Lisbonne dia nihaona tamin’ny tanora namanareo aman-tapitrisany avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao aho. Tamin’ny fotoanan’ny valan’aretina, tao anatin’ny fisalasalana marobe, no namelomantsika ny fanantenana fa ho avy ny andro hahafahantsika hankalaza amin’ny fomba manetriketrika ny fihaonana amin’i Kristy sy amin’ireo tanora hafa. Tanteraka izany fanantenana izany ary ho an’ny maro tamintsika izay tonga tany, isan’izany koa ny tenako, dia mihoatra noho ny nantenaina izany! Kanto fipoahan’ny hazavana sy ny hafaliana!
Tamin’ny faran’ny Sorona Masina teo amin’ny « Kianjan’ny fahasoavana » no nanambarako hoe any Séoul - Corée, amin’ny taona 2027 ny dingana manaraka amin’ny fivahinianana masina iraisam-pirenena. Nefa mialohan’izany dia manome fotoana anareo any Rôma aho amin’ny taona 2025, amin’ny Jôbilin’ny tanora, ka ho mpivahiny masin’ny fanantenana ihany koa ianareo amin’io fotoana io.
Ianareo, ry tanora, noho izany no fanantenana mitondra hafaliana ho an’ny Eglizy sy ny fianakaviam-ben’ny olombelona an-dalam-pivahinianana mandrakariva. Te hitantana anareo sy hamakivakivaky miaraka aminareo ny lalan’ny fanantenana aho. Te hiresaka aminareo momba ny hafaliantsika sy ny fanantenantsika aho, fa eo koa ny alahelo sy ny tebitebin’ny fontsika sy ny olombelona mijaly (jer. Ny Eglizy manoloana ny andro ankehitriny, Gaudium et spes, n.1). Mandritra izao taona roa fanomanana amin’ny jôbily izao, hodinihintsika aloha ilay tenin’i Md Paoly hoe: «Mifalia amin’ny fanantenana» (Rm 12,12), avy eo dia hohalalinintsika ny ambaran’Izaia Mpaminany hoe: «Izay miankina amin’ny Tompo, […] mandroso ka tsy hahatsiaro vizana» ( Iz 40,31).
š¼š«š® šššÆš šš¤ ššššš”ššš£š šš¤ ?
« Mifalia amin’ny fanantenana » (Rm 12,12), fanentanan’i Md Paoly an’ireo Eglizy tao Rôma izay niaina ny fotoan-sarotry ny fanenjehana lehibe izany. Miboiboika avy amin’ny misterin’ny Pakan’i Kristy, avy amin’ny herin’ny fitsanganany ho velona izany « ny hafalian’ny fanantenana » notorian’ny Apôstôly. Hafaliana tsy vokatry ny ezaky ny olombelona, na ny faharanitan-tsaina, na ny fahaiza-manao. Hafaliana mipoitra avy amin’ny fihaonana tamin’i Kristy izy. Avy amin’Andriamanitra mihitsy ny hafaliana kristianina satria fantatsika fa tiany isika.
I Papa Benoît faha-XVI teo am-pandinihana ny traikefa niainany nandritra ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora tany Madrid tamin’ny taona 2011 dia nanontany hoe: ny hafaliana, «avy aiza izy io? Ahoana ny hanazavana azy? Tsy isalasalana fa antony maro no miara-mihetsika amin’izany. Fa ny tena manan-danja dia […] ny antoka avy amin’ny finoana : nirina aho. Manana iraka ao amin’ny tantara aho. Ekena aho, tiana aho». Ary antitranteriny ny hoe: « amin’ny farany, mila fandraisana tsy misy fepetra isika. Fa raha raisin’Andriamanitra aho ary tena mahazo antoka tanteraka fa hoe: tsara aho raha misy […] tsara ny misy toy ny olombelona, eny fa na dia amin’ny fotoan-tsarotra aza. Mahatonga hafaliana avy any anaty ny finoana» (Lahateny tao amin’ny Curie Romaine, ny 22 Desambra 2011)
š¼ššÆš š£š® ššš£šš£š©šš£šš š¤ ?
Ny fahatanorana dia vanim-potoana feno fanantenana sy nofinofy, velomin’ny zava-misy mahafinaritra mampivoatra ny fiainantsika: ny hakanton’ny zavaboaary, ny fifandraisana amin’ny havantsika sy ny namantsika, traikefa ara-java-kanto sy ara-kolotsaina, ny fahalalana siantifika sy teknika, ireo ezaka manandratra ny fiadanana, ny rariny sy ny firahalahiana, ary ireo zavatra hafa ihany koa. Miaina amina vanim-potoana, izay ho an’ny maro, isan’izany ny tanora, toa tsy misy fanantenana intsony anefa isika. Maro amin’ireo namanareo izay miaina ao anatin’ny ady, ny herisetra, ny fanararaotana sy endri-pahoriana samihafa no latsaka ao anatin’ny famoizam-po, ny tahotra sy ny fahaketrahana ara-tsaina. Mahatsiaro tena ho toy ny migadra ao anatin’ny fonja maizin-kitrotra, tsy afaka mahita ny tara-masoandro. Porofo mampihoron-koditra amin’izany ny fiakaran’ny tahan’ny tanora mamono tena any amin’ny firenena maro. Amin’ny tranga toy izany, ahoana no ahatsapana ny hafaliana sy ny fanantenana resahan’i Md Paoly? Hatahorana kokoa aza ny fitombon’ny famoizam-po, ny fiheverena fa tsy misy dikany ny fanaovana asa soa, noho izy ireo tsy hankasitrahan’ny olona, araka ny hitantsika ao amin’ny bokin’i Jôba hoe: «Nankaiza ny fanantenako? Iza no afaka hahita ny hasambarako? » (Jb 17,15)
Manoloana ny loza manjo ny olombelona, indrindra ny fahorian’ireo tsy mana-tsiny, dia mangataka amin’ny Tompo ihany koa isika, araka ny fitaloahantsika aminy ao amin’ny Salamo sasantsasany: «Nahoana? » Mety ho anisan’ny valintenin’Andriamanitra anefa isika. Nohariany hitovy endrika aminy isika ka mety koa ho fanehoana ny fitiavany izay miteraka ny hafaliana sy ny fanantenana na dia any amin’izay heverina tsy ho afaka hahitana izany na oviana na oviana aza. Tonga ato an-tsaiko ilay mpilalao fototra amin’ilay sarimihetsika hoe «Mahafinaritra ny fiainana»; raim-pianakaviana tanora nahavita nanova ny hasarotry ny fiainana, tamim-pitandremana sy tamim-pisainana, ho zary karazana anjoria sy lalao, ka nanome «fijery feno fanantenana» ny zanany lahy teo ampiarovana azy tamin’ny habibiana tao amin’ny toby famonoana, niaro ny tsy maha manan-tsiny azy sy nisoroka ny hasiahan’ny olombelona mikasa handrombaka ny hoaviny. Tsy tantara noforonina fotsiny anefa ireo! Hitantsika ao amin’ny fiainan’ny olo-masina maro izay vavolombelon’ny fanantenana izany, eny fa na eo anivon’ny haratsiam-panahin’ny olombelona feno habibiana aza. Tsaroantsika amin’izany i Md Maximilien Marie Kolbe, i Mb Joséphine Bakhita na ilay mpivady Josef sy Wiktoria Ulma Olontsambatra miaraka amin’ny zanany fito mianadahy.
Ny fahafahana mamelona ny fanantenana ao am-pon’ny olombelona, avy amin’ny fijoroana vavolombelona ataon’ny kristianina no nohazavain’i Md Paul VI tamin’ny fampianarany, tamin’izy nampahatsiahy hoe: «Ny kristianina iray na vondrona kristianina ao amin’ny ankohonam-piainan’ny olombelona izay iainany dia mampamiratra, amin’ny fomba tsotra sy tsy miolikolika, ny finoany ny soatoavina izay mihotra ny soatoavina mahazatra, ary ny fanantenany amin’ny zavatra izay tsy hita, ary tsy sahintsika nofisina » (Fanentanana apôstôlika Evangelii nuntiandi, n. 21).
šš® ššš£šš£š©šš£šš£š "ššš”š®"
I Charles Péguy, poeta frantsay, tamin’ny fiandohan’ny tononkalony momba ny fanantenana, dia niresaka momba ireo herim-panahy telo avy amin’Andriamanitra - ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana - ho toy ny mpirahavavy telo miara-mamindra:
«Miroso eo anoloan’ ireo zokiny mirahavavy i Fanantenana kely ary tsy narovana fotsiny izy.
[…]
Izy, ilay kely no manazatra ny rehetra.
Satria ny Finoana tsy mahita afa-tsy izay eo.
Ary izy, izy mahita izay ho avy.
Ny Fitiavana tsy mitia afa-tsy izay eo.
Ary izy, izy mitia izay ho avy
[…]
Ny tena marina, izy no mampandeha ireo roa hafa
ary izy no manazatra azy ireo
sy mampandeha ny rehetra ».
(Le porche du mystère de la deuxième vertu, Gallimard, 1986)
Resy lahatra amin’io toetra manetry tena, « madinika», io ihany koa aho, ary io nefa no fototry ny fanantenana. Hevero hoe: ahoana ny hahafahantsika miaina tsy misy fanantenana ? Hanao ahoana ny androntsika? Ny fanantenana no fanasin’ny fiainana andavanandro.
šš® ššš£šš£š©šš£šš£š, šššÆšš«šš£š š¢šš¢šš§šš©š§š šš¢šš£’š£š® šš”šš£š
Ao amin’ny lovam-panahy kristianina amin’ny hateloana masin’ny Paka, ny Sabotsy masina no andron’ny fanantenana. Anelanelan’ny Zoma masina sy ny Alahadin’ny Paka, izy no toy ny mpanelanelana ny fahakivian’ny mpianatra sy ny hafalian’ny paka, hafalian’izy ireo amin’ny andro Paka. Io no toerana nahaterahan’ny fanantenana. Tsaroan’ny Eglizy, amin’io andro io, amim-pahanginana ny fidinan’i Kristy tany amin’ny toeran’ny maty. Azontsika jerena amin’ny endriky ny sary amin’ireo (kisary) icônes marobe izany. Asehon’ireo sary ireo amintsika i Kristy mitara-pahazavana izay midina any amin’ny haizina lalina indrindra sy namakivakivaky izany. Noho izany: tsy mihanona amin’ny fijerena amim-pitserana ny toeran’ny maty Andriamanitra na niantso antsika avy lavitra, fa miditra toy ny hazavana mamirapiratra ao amin’ny haizina amin’ny andram-piainantsika ao amin’ny afobe Izy ary mandresy an’izany (jer. Jo 1,5). Mahalaza tsara an’izany ny tononkalo iray amin’ny fiteny xhosa (Afrika atsimo) manao hoe: « Na dia very avokoa aza ny fanantenana, amin’ity tononkalo ity, dia fohaziko ny fanantenana. Nifoha ny fanantenako satria manantena ao amin’ny Tompo aho. Manantena aho fa hiombona isika! Mitomoera mafy amin’ny fanantenana, satria efa akaiky ny fiafarana tsara».
Raha mandinika tsara isika, dia ny fanantenan’i Maria Virjiny izany, nijanona naharitra teo am-pototry ny Hazofijalian’i Jesoa izy, nahazo antoka fa efa akaiky ny «fiafarana tsara». I Maria dia Vehivavin’ny fanantenana, Renin’ny fanantenana . Teo amin’ny Kalvery, «nanantena na dia tsy nisy tokony hanantenany aza» (Rm 4,18), tsy navelany ho faty tao am-pony ny fahatokiana ny fitsanganana ho velona nambaran’ny Zanany. Izy (I Maria) no mameno ny fahanginan’ny Sabotsy masina amin’ny fiandrasana amim-pitiavana sy feno fanantenana, amin’ny fampidirana ao an-tsain’ny mpianatra ny fahatokiana fa handresy ny fahafatesana i Jesoa ary tsy hanana teny farany ny ratsy.
Ny fanantenana kristianina dia tsy hoe fahatokiana mora foana na firaikena ho an’ireo olona mora mino ; fa fahatokiana mifototra amin’ny fitiavana sy ny finoana izy, tsy mamela antsika ho irery velively Andriamanitra, ary tazoniny ny fampanantenany : « Na mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, tsy misy loza atahorako fa Ianao eo anilako» (Sal 22,4). Ny fanantenana kristianina dia tsy fandàvana ny fahoriana sy ny fahafatesana, ny fanantenana kristianina dia fankalazana ny fitiavan’i Kristy nitsangan-ko velona izay eo amintsika mandrakariva, na dia toy ny lavitra àry izy. I Kristy mihitsy ho antsika no hazavana lehiben’ny fanantenana sy tari-dalana ho an’ny alintsika, satria izy no « kintana mamirapiratra amin’ny maraina » ( Fanentanana apôstôlika Christus vivit, n. 33)
ššš¢šš”š¤š£š š£š® ššš£šš£š©šš£šš£š
Indraindray, na dia efa nirehitra tao amintsika ny pitik’afon’ny fanantenana, dia mety ho sepotry ny ahiahy, ny tahotra sy ny vesatry ny fiainana andavanandro. Mila rivotra anefa io pitik’afo io mba hitohy hamiratra sy hamelona indray ny lelan’afon’ny fanantenana. Ny tsioka malefaky ny Fanahy Masina no mamelona ny fanantenana. Afaka mandray anjara amin’ny famelomana izany amin’ny fomba samihafa isika.
Velomina amin’ny vavaka ny fanantenana. Tehirizina sy havaozina ao amin’ny vavaka ny fanantenana. Kolokoloina amin’ny alalan’ny vavaka ny pitik’afon’ny fanantenana miredareda. «Ny vavaka no hery voalohan’ny fanantenana. Mivavaka ianao dia mitombo ny fanantenana, miroso hatrany ianao» (katesizy, 20 mai 202). Ny mivavaka dia toy misondrotra avo: matetika dia tsy mahita ny masoandro isika rehefa eto amin’ny tany satria rakotra rahona ny lanitra. Fa rehefa miakatra eo ambonin’ny rahona isika dia fonosin’ny hazavana sy ny hafanan’ny masoandro, ary amin’io andram-piainana io no ahazoantsika antoka fa eo mandrakariva ny masoandro, na dia majombona aza izao rehetra izao.
Ry tanora malala, rehefa mandrakotra anareo ny zavona matevin’ny tahotra, ny fisalasalana ary ny fampahoriana ka tsy mahita masoandro intsony ianareo, dia mizora amin’ny lalan’ny fivavahana. Satria « Raha tsy misy mihaino ahy intsony ny olona, Andriamanitra mihaino ahy foana » (Benoît XVI, taratasy ansiklika, Spe Salvi, n. 32). Manoloana ny tebiteby mahazo antsika, manokàna fotoana isan’andro hialàna sasatra ao amin’Andriamanitra: «Ao amin’Andriamanitra irery ihany no fitsaharako, eny, avy aminy no iavian’ny fanantenako» (Sal 61, 6)
Velomin’ny safidintsika isan’andro ny fanantenana. Ny fanasana mba hifaly amin’ny fanantenana, izay nataon’i Md Paoly ho an’ny kristianina tany Rôma (jer. Rm 12,12) dia mitaky safidy azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainana isan’andro isan’andro. Manasa anareo aho noho izany mba hifidy ny fomba fiaina mifototra amin’ny fanantenana. Manome ohatra anareo aho: ao amin’ny tamba-jotra sôsialy, toa mora kokoa ny mizara ireo vaovao ratsy noho ny vaovaon’ny fanantenana. Ka izao àry ny soso-kevitro: manandramà mizara ny tenin’ny fanantenana isan’andro. Meteza ho mpamafy fanantenana eo amin’ny fiainan’ny namanao sy ny olona rehetra manodidina anao. Noho izany, «ny fanantenana dia manetry tena, ary hatsaram-panahy miasa – ndeha ataontsika hoe - isan’andro[…].Tsy maintsy tsaroantsika, mandrakariva, fa manana tahiry isika, dia ny Fanahy izay miasa ao amintsika amin’ny zavatra madinika. » (Fandinihina masina ny maraina, 29 oktôbra 2019)
ššš£šš§šššš©š§š š£š® ššš£šš”š¤š£’š£š® ššš£šš£š©šš£šš£š
Mivoaka takariva miaraka amin’ny namanareo ianareo matetika, ary rehefa alina, dia raisinareo ny finday ary arehitrareo ny jiro mba hanome hazavana. Mandritra ny seho an-tsehatra goavana, aman’aliny ianareo no mampihetsika ny jiro moderna manaraka ny gadon’ny mozika, miteraka tontolo miavaka. Ny hazavana amin’ny alina dia mahatonga antsika hahita zavatra amin’ny fomba vaovao, ary na ao anatin’ny haizina aza, dia misy lafiny kanto miseho. Toy izany koa ny hazavan’ny fanantenana dia i Kristy. Amin’ny alalany, amin’ny alalan’ny fitsanganany ho velona no nanazavana ny fiainantsika. Miaraka aminy, hitantsika hoe vaovao ny zavatra rehetra..
Ny fanontaniana voalohany apetraky ny olona, araka ny voalaza, rehefa miresaka amin’ i Md Joany Paoly faha II momba ny olana iray dia hoe: «Ahoana no isehoan’izany eo ambany fanilovan’ny finoana ? ». Ny fijery hazavain’ny fanantenana ihany koa dia maneho ny zavatra amin’ny andro samy hafa. Koa manasa anareo aho mba hampihatra io fijery io eo amin’ny fiainanareo andavanandro. Entanin’ny fanantenana avy amin’Andriamanitra, ny kristianina dia ampoky ny hafaliana isan-karazany avy any anaty. Misy ary hisy mandrakariva ny fanamby sy ny olana, nefa raha itoeran’ny fanantenana « feno finoana » isika, dia hiatrika azy ireny eo am-pahafantarana fa tsy manana ny teny farany izy ireo ary ho tonga fanilo kelin’ny fanantenana ho an’ny hafa isika.
Mety ho tahaka izany ny tsirairay aminareo arakaraka ny maha azo tsapain-tanana ny finoany, mifandray amin’ny zava-misy sy ny tantaran’ny mpiray tampo aminy. Hevero ny mpianatr’i Jesoa izay, indray andro, tany an-tendrombohitra, nahita azy namirapiratry ny hazavana be voninahitra. Raha nijanona tany ambony tany izy ireo, dia mety ho fotoana mahafinaritra ho azy ireo izany, saingy voailika ny hafa. Tsy maintsy nidina izy ireo. Tsy tokony handositra izao tontolo izao isika, fa hitia ny vanim-potoana izay nametrahan’Andriamanitra antsika satria misy dikany izany. Tsy afaka ny ho sambatra isika raha tsy mizara amin’ireo rahalahy sy anabavy nomen’Andriamanitra antsika isan’andro ny fahasoavana noraisintsika.
Ry tanora malala, aza matahotra ny hizara amin’ny hafa ny fanantenana sy ny hafalian’i Kristy nitsangan-ko velona! Ny pitik’afo mirehitra ao aminareo, kolokoloy izy, nefa zarao ihany koa: ho tsapanareo fa hitombo izany! Tsy afaka hitazona ny fanantenana kristianina ho antsika samirery isika, ho toy ny fihetseham-po tsara, satria natao ho an’ny rehetra izany. Meteza indrindra ho eo akaikin’ny namanao izay mety mitsiky ety ivelany fa mitomany ao anaty, mahantra fanantenana. Aza manaiky hifindran’ny aretin’ny tsy firaharahana sy ny fiolonolonana : misokàfa hatrany, toy ny lalan-drano ikorianan’ny fanantenan’i Jesoa sy hanapariaka izany amin’ny toerana misy anareo.
«Velona i Kristy, fanantenatsika ary Izy no tanora kanto indrindra eto amin’izao tontolo izao » (Fanentanana apostolika Christus vivit, n.1). Izany no nosoratako tamin’ireo dimy taona lasa izay, taorian’ny Sinaody momba ny tanora. Manasa anareo rehetra aho, indrindra ho an’ireo izay mikatroka amin’ny pastôralin’ny tanora, mba handalina ny tahirin-kevitra farany tamin’ny 2018 sy ny Fanentanana apôstôlika « Christus vivit ». Tonga ny fotoana hiarahana mijery sy miasa amim-panantenana amin’ny fampiharana ny asan’iny Sinaody tsy hay hohadinoina iny.
Ankinintsika amin’ i Maria, Renin’ny Fanantenana ny fiainantsika rehetra. Mampianatra antsika hitondra an’i Jesoa, hafaliantsika sy fanatenantsika ao amintsika izy, ary hanome azy amin’ny hafa. Soavadia ry tanora malala! Mitso-drano anareo aho ary mitondra am-bavaka anareo. Ary ianareo ihany koa, mivavaha ho ahy!
šš°š®š¢, šš„ šš¦š¢šÆ š„š¦ šš¢šµš³š¢šÆ, 09 Nš°š·š¢š®š£š³š¢ 2023, š§š¢šÆš¬š¢šš¢š»š¢šÆš¢ šÆšŗ šÆš¢šÆš°š¬š¢šÆš¢šÆš¢ šÆšŗ šš¢š»šŖššŖš¬š¢šÆ’šŖ šš¢šµš³š¢šÆ
François
----------------------------------------------
šš¢š¤šš§-ššš§š² ššš š¬š² š§š² šššš
Imprimatur :
šš ššØš³ šš¦š¢šÆ š„š¦ ššŖš¦š¶ ššššššššš
šš³š“š¦š·š¦š¬š¢šÆ’ššÆšµš¢šÆš¢šÆš¢š³šŖš·š°