Miarahaba. Tena manaitra be ity nosoratan'i Mompera Nary ity hoe: "lazaiko mazava fa tsy hoe i Kristy mihitsy no nilaza ireo Teny sy hafatra ao amin’io ampahan’Evanjely vakiana amintsika androany io; fa nindramin’i Evanjelisitra Matio i Kristy mba hitonona an’ireo teny ireo mba hampanan-kery ny hafatra tiany hampitaina. Ity andalan-tsoratra Masina Evanjely vakiana amintsika androany ity dia teny miantefa ary hafatra mafonja dia mafonja ho an’ireo Kristianina tany am-piandohana."
Izay mianatra Baiboly ve moa izany no mahafantatra hoe tena nolazain'i Jesoa marina io teny io na tsia? Maro ve no andalan-soratra tsy nolazainy,sa ny Evanjeslistra Md Matio ihany no nanao an'io, sa shoana?
Ny Tenin'ny Baiboly dia Tenin'Andriamanitra ary ekena, fa tsara foana ny mahalala ny fototra.
Misaotra tompoko |