Azafady Tompoko, Maniry tompoko mba hampitaina ny hafatra any amin'ireo Mpitondra fivavahana katolika eto Madagasikara, mba hatsangana ny Mpiandry na izay azo hatao anarany, raha tsy mety ny Laika dia ireo mpianatra ho relijiozy Frera na Masera no hofanina, kanefa tena tsara indrindra raha Laika satria sehatra ahafahan'ireo Kristiana manatanteraka ny hafatr'i Jesoa ao amin'i Marka 3: 13-15 "13Ary niakatra tamin'ny tendrombohitra anankiray izy, ka niantso izay tiany hankeo aminy, dia nankeo aminy ireo. 14Ary nanendry roa ambin'ny folo lahy izy hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny, 15sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina sy handroaka ny demony." sy Matio 10:7-8 "7Ary raha mandeha hianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana hianareo, koa manomeza maimaim-poana." mino aho fa ho maimaim-mpoana tokoa no hanatanterahan'ireo Laika izany fa tsy hisy olana eo amin'ny ara-bolan'ny Fiangonana izany, ary toy ny fikambanana masina rehetra ao ampiangonana toy ny Garde d'honneur sy ny maro hafa rehetra izany, Mino aho fa hisy ny Antso'Andriamanitra ho amin'izany raha sitrapony izany ary izahay dia mitondra ambavaka ny hahatanterahan'izany sy mangataka amintsika maniry an'izany koa hiara hitondra ambavaka.
Misaotra Tompoko
Misaotra Tompoko. |