Komonio

1. admin ( 19/07/2013 10:27)
... Tohiny
2. sergekely ( 19/07/2013 10:27)
NY ENDRIKAO RY JESOA

1 - Ny endrikao ry Jesoa ô, no takona aminay izao,
Fa ny finoanay mahita anao anatin’ny hostia.
Jesoa ô! Omeo anay finoana mafy sy tsy miova
Hilazanay lalandava hoe : mino anay izahay

2 - Tantanonao ry Jesoa ô, izany dianay aty,
Fa izahaymanantena anao anatin’ny hostia.
Jesoa ô! Omeo anay fanantenana hahita anao,
An-danitra any rahatrizay, manantena izahay.

3 - Fitiavam-be ry Jesoa ô, no itoeranao lalandava,
Iandrasanao isan’andro anatin’ny hostia.
Jesoa ô! Omeo anayny faniriana tsy te handao,
Tsy te hisaraka aminao, fa tia anao izahay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.09