Atolotray ny tenanay miaraka amin'ny hostia

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fanolorana,


  • Fihirana Dera p. "78
  • Fihirana Hasina p. "169
  • Vavaka sy Hira p. "728
  • Fihirana Vaovao p. "363

1 Atolotray ny tenanay
 Miaraka amin'ny hôstia:
 Mba raiso re, ry Tompo ô,
 Na dia tsy mendrika ho anao.
 
Ny herinay sy ny fonay
Ny asanay, ny fiainanay
Mba raiso re, ry Tompo ô,
Hampanjaka ny anaranao.
 
2 Jesoa Kristy 'lay Zanakao
 Tsy hitanay an-tany atý,
 Fa izahay mpianany
 No solon-tenany tokoa.
 
3 Ry herinay sy tokinay,
 Fanahy Zanahary ô,
 Midìna atý anatinay,
 Mba hamasino ny fonay.
 
4 Masina Maria mpiaronay
 Ho apôstolin-Janakao,
 Tantanonao ny dianay
 Hanilo izao tontolo izao.
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0079 s.] - Hanohana anay