Md Vincent de Paul

Ry mpiaro ny Malagasy
'Zahay misaotra anao Rainay e!
Ny fampndram-ponao fahiny
Ataovy indray ho hitanay

    1) Omeontsika voninahitra
     i Vincent de Paul raibentsika 
     Fa sambatra an-danitra izy
     Manjaka anilan'i Jesoa
    Fony izy taty an-tany
    Ny fony niantra antsika
    Mainka izao izy any an-danitra
    Tsy handao ny ory rehetra
 
2)Ny zaza very sy kamboty
   Nohasoavin'i Vincent
  Ny malahelo, ny marary
  No nampietsika ny fony
  Ka ny tsy man-kotafiana
  Sy ny mosarena reehtra
  Dia nomeny izay nilainy
  Hahafinaritra ny fony
 
    3)Fahiny ny fony nangoraka
       Noho ny fahoriantsika
       Ka naniraka ny mpianany
       Hamonjy ny firentsika
      Izy ireo tsy mba natahotra
      Niezaka aty amintsika
      Ny aretina sy ny rofy
      Tsy nisakana ny zotom-pony
       
 
Nampiditra Solo22
Sokajy Olomasina
Vavaka sy Hira p. 627
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1577