Aleloia, dera sy laza ho anao, ry Ray
Aleloia, aleloia, aleloia: )
Dera sy laza ho anao, ry Ray ô. ) (indroa)
1 Fa niteny taminay ianao e,
Nanambara koa ny sitrakao.
2 I Kristy no Teny tonga nofo e,
Sady Vaovao Mahafaly.
(Azo tohizana toy izao aorian'ny Evanjely:)
3 Ka hiainanay ny Teninao e,
Entinay ho ren'ny lafy valo.
4 Fa ny Teninao toa Mofon'aina e
Mahavelona mandrakizay.