Ie, ny teninao, ry Tompo, no teny mahavelona e,
Ie, ny teninao, ry Tompo, no teny mahavelona e.
1 Izay mandre ny teny ka mitandrina azy ireny,
Hoy ny Tompo,
Dia toy ny trano miorina eo ambony vatolampy e.
2 Raha tonga ny oram-baratra ombàna rivo-doza...
Tsy hihontsona ny trano fa hijoro lalandava e!
3 Izay mandre ny teny nefa tsy mitandrina azy...
Dia toy ny trano miorina eo ambony tora-pasika e.
4 Raha tonga ny onjan-drano sy ny oram-batravatra...
Hirodana ny trano ka ho loza no hiafarany e!