Voninahitra, fiadanana

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fihobiana,


  • Fihirana Vaovao p. "349
  • Fihirana Hasina p. "152
  • Vavaka sy Hira p. "709
  • Fihirana Dera p. "262

Voninahitra, fiadanana:
Voninahitra ho an'Andriamanitra,
Fiadanana etý an-tany:
Voninahitra, fiadanana.

1 Ho an'ny Ray ny hoby sy ny laza,
 Mpanjakan'ny tany sy ny lanitra,
 Mahefa ny zava-drehetra.

2 Ho an'i Jesoa Zanak'ondrin'Andriamanitra
 'Zay manala ny fahotan'ny olona,
 Voninahitra mandrakizay.

3 Ho an'i Jesoa Mpanjaka avo indrindra,
 Miaraka amin'ny Fanahy Masina,
 Voninahitra mandrakizay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1006 s.] - Hanohana anay