Voninahitra anie, voninahitra anie ho an'ny Ray ao ambony tsy taza-maso etý

Nampiditra: Belle
Sokajy: Voninahitra, Fihobiana,


  • Fihirana Dera p. "263
  • Fihirana Hasina p. "151
  • Vavaka sy Hira p. "718
  • Fihirana Vaovao p. "51

Voninahitra anie, voninahitra anie
Ho an'ny Ray ao ambony tsy taza-maso etý;
Fiadanana anie, fiadanana anie
Ho an'ny olona tiany, namindrany fo.
 
1 Midera anao izahay,
 Mankalaza anao, mitsaoka anao,
 Mihoby ny hasinao,
 Misaotra anao 'zahay.         (Voninahitra)
 
2 Ry Tompo Andriamanitray ô,
 Rainay ianao, Mpanjakanay ianao,
 Mahefa ny zava-drehetra:
 Ny tany sy ny lanitra.         (Voninahitra)
 
3 Ry Jesoa Tomponay ô,
 Zokinay ianao fa Zanaky ny Ray,
 Ianao manala ny ota,
 Ka mamindrà fo aminay.     (Voninahitra)
 
4 Ianao irery no Tompo,
 Ambony indrindra, ankavanan'ny Ray,
 Miaraka amin'ny Fanahy,
 Ka omem-boninahitra.        (Voninahitra)
 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0068 s.] - Hanohana anay