Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho e

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fidirana,


  • Fihirana Vaovao p. "360
  • Vavaka sy Hira p. "388
  • Fihirana Dera p. "180
  • Fihirana Hasina p. "143
  • Ankalazao ny Tompo p. "273

Handeha an-kafaliana hanatrika an'Andriamanitra aho e
Any an-tendrombohitra masina,
Ny tebitebin-tsaiko, ny ahiahim-poko e, ny hadisoako e
Tsy mahasakana ahy tsy hanatona anao, Tompo ô. 

(Eks. 3,7-14) 

1 Hitako ny fahorian'ny vahoakako any Ejipta,
 Henoko ny sentosento sy ny tarainany;
 Ka irahiko ianao mba handeha hanafaka azy e,
 Fa homba anao hatrany hatrany anie aho.

2 Eny, ry Tompo, fa iza moa no anaranao?
 Ary omeo famantarana aho fa irakao,
 Tsotra dia tsotra ny anarako, hoy ny Tompo e:
 "Andriamanitra velona" hoe no naniraka anao.

(Rm. 8, 14-17)
3 Efa naniraka ny Zanany tiany Andriamanitra,
 F'izany no nanambaràny ny tena fitiavany;
 Nanangana antsika tao amin'ny Fanahiny izy e,
 Nanandratra antsika hiara-mandova amy Zanany.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0095 s.] - Hanohana anay