Andeha hiseho anoloan'Andriamanitra
Andeha hiseho anoloan'Andriamanitra,
Andeha hiseho anoloany amin-tsaotra,
Hankalaza azy amin'antsa,
Hankalaza any amin-kira:
Avia, derao, derao ny Tompo Andriamanitra.
1 Nantsoiny isika zanany,
 Nataony ira-pifaliana;
 Fa hoy izy: ianareo no indro hirahiko,
 Toy ny nanirahan'ny Ray ahy.
2 Indro irahiko ianareo
 Amin'izao tontolo izao:
 Ilaozy àry, afoizo ho ahy ireo tiana:
 Soa anie ny fanjakan'ny lanitra.
3 Tsy sanatria irery isika
 Hitondra ny hazo fijaliana:
 Fa eo izy, Zoky tsy foy tsy mba mandao,
 Hiaraka hamadi-bainga amintsika.

