Ray ô, eo am-pelatananao ny fanahiko

Nampiditra: Belle
Sokajy: Fiainana mandrakizay,


  • Fihirana Vaovao p. "285
  • Fihirana Hasina p. "139
  • Vavaka sy Hira p. "692
  • Fihirana Dera p. "171

Ray ô, eo am-pelatananao ny fanahiko.

1 Fa ianao no namonjy anay,
 Andriamanitry ny fahamarinana ô.

2 Omeo fialan-tsasatra
 Ireo (ity) havanay nodimandry.

3 Hanilo ny tavany anie
 Ny fahazavanao, ry Tompo.

4 Hatory am-piadanana anie
 Ny mpino rehetra efa maty.

5 Hitsangan-ko velona anie,
 Fa niantso ny anaran'ny Tompo.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0072 s.] - Hanohana anay