Any an-danitra any no fonenako,
Any aho no mody raha miala etý:
Vetivety foana dia ho hitako
'Lay tanàna soa tiako erý.
1 Faingàna, faingàna, ry Mpamonjiko,
Aza kivy foana, ry fanahiko.
2 E mamirapitratra tsy misy toa azy
Ilay vavahadin'i Jerosalema.
3 Enga anie isika indray andro any
Ka hifankahita any an-danitra any.