Aza mba manadino

Nampiditra: Belle
Sokajy: Firenena,


  • Fihirana Hasina p. "132

1 Aza mba manadino ny ray sy reninao,
 Fa izy no nitaiza sy nanasoa anao;
 Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
 Aza mba manadino ny ray sy reninao:
       Tsara izay! Tsara izay!
 Eny, tsy ho hadinonay ny ray sy reninay.

2 Aza mba manadino ny tanindrazanao,
 Tsarovy ny tanàna izay nahabe anao;
 Fadio izay tsy mety fanao fahizay,
 Aza mba manadino ny tanindrazanao:
      Tsara izay! Tsara izay!
 Eny, tsy ho hadinonay ny tanindrazanay.

3 Aza mba manadino ireo mpitondra anao,
 Araho ny lalàna mba hiadananao:
 Ka na aiza na aiza aleha an-tany lavitra,
 Aza mba manadino izay mpitondra anao:
      Tsara izay! Tsara izay!
 Eny, tsy ho hadinonay izay mpitondra anay.

4 Aza mba manadino ny fivavahanao,
 Ataovy isan'andro mba hamonjena anao:
 Mpitondra, ray sy reny, ny tany, tena koa,
 Aza mba manadino ny fivavahanao:
      Tsara izay! Tsara izay!
 Eny, tsy ho hadinonay ny fivavahanay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay