'Zay anjakan'ny fitiavana - Izay anjakan'ny fitiavana

Nampiditra: Belle
Sokajy: Firaisam-pinoana,


  • Ankalazao ny Tompo p. "58
  • Fihirana Dera p. "221
  • Fihirana Hasina p. "130
  • Vavaka sy Hira p. "542
  • Fihirana Vaovao p. "108

'Zay anjakan'ny fitiavana, 'zay anjakan'ny fitiavana,
Anjakan'Andriamanitra, anjakan'Andriamanitra.

1 Ny fitiavana an'i Kristy no manambatra antsika ho iray:
 Aoka hientan-karavoana, hifaly ao aminy.

2 Hajao sy tiavo 'lay Andriamanitra velona:
 Ny fifankatiavana enga anie hanjaka tokoa.

3 Satria fa mitambatra sy mivondrona ho 'ray isika,
 Tandremo sao very indray 'zao firaisam-pontsika izao.

4 Ny ady, ny fifandirana, aoka re, atsaharo:
 Kristy Andriamanitra enga anie hanjaka amintsika.

5 Enga anie izahay rehetra mba hiaraka hahita anao:
 Toy ny olom-pinidinao re, ry Tompo Andriamanitra.

6 Dia hiara-ko sambatra ao amin'ny Fanahy Masina,
 Atambatr'ilay fatoram-piadanana antenainay.

7 Haravoana tsy hita lany, tsy hisy hanala aminay,
 No lova miandry anay ho an'ny taona mandrakizay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0071 s.] - Hanohana anay