Rano ô, rano maherin'ny Fanahy Masina,
Rano ô, rano manoro manangan-ko velona,
Rano ô, rano tsy ritra omen'ny Mpamonjy.
1 Fa ny fahotana no namono antsika,
Ny batemy kosa no mahavelona e.
2 I Adama sy i Eva no nampikomy antsika,
I Kristy Mpamonjy no maha-zanaka e.
3 I Kristy nijaly sy nahafoy ny ainy
No ananantsika rano mahavelona e.
4 Ny vahoaka jody nita ny ranomasina,
Fa isika kosa niala ny fahotana e.
5 'Zay miara-maty amin'ny Mpamonjy
Hiara-belona aminy ao amin'ny Ray e.
6 Zanak'Andriamanitra ka manompo azy,
Tia ny olombelona, 'zany no kristianina e.