1 Vatolampy tsy mikoro, vatolampiko ianao,
Andry mafy mampijoro, vatolampy vaovao.
N'aiza n'aiza misy ahy, na salama na marary,
Vatrako ny mahatsiahy, miantso anao, ry Zanahary.
Ny fiainako tontolo no natokako ho anao;
Tsy atakaloko mpisolo:
Vatolampiko ianao. (indroa)
2 Tsy mba mandry an-driran'antsy ny mifikitra aminao
Fa matory ivohom-bato: vatolampiko ianao.
Ny voaary mora miova, misy fetra ka mandao,
Fa ianao no hany lova: vatolampiko ianao.