Tompo ô, tsy mihafy aho
1 Tompo ô, tsy mihafy aho )
Fa manana anao: )
Hitanao fa mitalaho, ) (indroa)
Dia ho avy ianao. )
Raha sendra ka manonja )
Ny ahiahin-janakao, )
Tsy ampy iray minitra monja, ) (indroa)
Dia ho avy ianao. )
2 Tebiteby lalandava )
Manerana an'izao tontolo izao, )
Mamely an-janakao aman-jafy, ) (indroa)
Nefa toherinay. )
3 Tompo ô, matoky aho, )
Fa manana anao: )
Hitanao fa mitalaho, ) (indroa)
Dia ho avy ianao. )
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p.
105
Vavaka sy Hira p.
542