1 Raha mibanjina ny lanitrao aho, ry Tompo,
Dia variambariana izany saiko;
Ka mientan-kafaliana ny fanahiko
Raha mibanjina ny lanitrao.
Ô ry lanitra ô, ô ry lanitra ô,
Mihobia, mifalia, ry tany aman-danitra:
Derao Andriamanitra. Amen, aleloia!
2 Indro hitako eny an-danitra eny ny anjely
Sady miramirana izy ireny;
Ary ireo mpanompon-Janahary miran-tava
Feno haravoana lalandava.
3 Ny ray aman-dreny sy ny zoky sy ny zandry
'Zay nandao ahy tsy nahandry,
Ka miala sasatra ny asa teto an-tany,
Dia miantso ahy mba hankany.