Mba sambatra e izay mitia manompo,
Tsy mitady ny hotompoina e:
mba sambatra.
1 'Zay manome sy mizarazara e
Ny kely an-tanany ho an'ny hafa:
Mihary lova soa 'zay tsy mety simba:
mba sambatra.
2 Ireo miasa ho an'izy Tompo,
Mahatsiaro tena fa hoe mpanompo:
Tsy mba mirehareha amin'ny asa vita:
mba sambatra.
3 Ireo mpanompo mahari-tory
Hamoha ny Tompo eny am-bavahady:
Ny Tompo no handroso sakafo ho azy:
mba sambatra.
4 Ireo nomen'izy Tompo adidy,
Ka trany manatontosa izany:
Hatsangany ho mpitantana ny hareny:
mba sambatra.
5 Ireo enjehina noho ny Tompo,
Satria mpianany mahatoky:
Hantsoiny hoe sakaiza fa tsy mpanompo:
mba sambatra.