1 Masoandro iva dia iva,
Mahasondriana ny takariva,
Mampivavaka amin'ny Ray:
Tsofy rano 'ndreto 'zahay!
2 Mba ambeno ny torimaso,
Ka hadio hangasohaso,
Mba ho mendrika anao, ry Ray:
Tsofy rano 'ndreto 'zahay!
3 Raha hiafara ny andronay,
Ka handray ny mandrakizay,
Mba hidera anao, ry Ray:
Tsofy rano 'ndreto 'zahay!