Zozefa - Jôsefa mpitaiza an'i Jesoa

Nampiditra: Belle
Sokajy: Olomasina, Md. Josefa,


  • Fihirana Hasina p. "89
  • Vavaka sy Hira p. "619
  • Fihirana Vaovao p. "251

Zôzefa mpitaiza an'i Jesoa
Sy Rain'ny ankizy madinika,
'Zahay te hambenanao tsara
Mba hitombo fahatsarana.

1 Mpiaro ny fahadiovan'
 I Maria izay nanangana anay,
 Ny fonay tsy mba arovanao va?
 Tsy mba zanakao va 'zahay?

2 Mba fotsy sy manitra tsara
 Ny voninkazo tananao,
 Ho sarin'ny fahadiovana
 Notananao mandrakizay.

3 Zôzefa nitondra an'i Jesoa
 Ho any an-tany Ejipta,
 Ambeno 'zahay fa vahiny,
 Fa voasesin-tany izahay.

4 Zôzefa, herezo 'zahay e
 Handrava ny sain'i Satàna,
 Sy ny fivavahana diso
 An-tany nahabe anay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay