Jôsefa be voninahitra - Zôzefa
1 Zôzefa be voninahitra
 Manjaka anilan'i Jesoa
 Be fahefana ny tananao:
 'Zahay matoky ny herinao.
Ry ray, tolory tanana aho,
Tantano tsy hisolafaka;
Malama sady mideza anie
Ny lalana izorako.
2 Ny masonao aondreho re
 Ety an-tany iadiako,
 Fa fantatrao ny manjò atý,
 Tsarovy izay ranomasonao.
3 Mpiaro ny hadiovam-po,
 Tahio aho isan'andro,
 Fa be ny fandriky ny demony,
 Arovy aho fa zanakao.
4 Raha avy izay hahafatesako,
 Zôzefa ô, herezo aho,
 Ka ento mora ny zanakao
 Am-paradisa mandrakizay.
                    Nampiditra Belle                
                                        
                    Sokajy                                                                    Md. Josefa                                             -                         Olomasina                                    
            
                            
                            Fihirana Dera p.
                            144                        
                                            
                            Fihirana Hasina p.
                            88                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            251                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            621                        
                                    
