Fiainam-baovao, (ianao ilay olombelona marefo)

Ianao ilay olombelona marefo
Ny lalanao mamaky haizim-pito
Fa miandry anao ilay fahazavana
Io ny Tompo miantso anao ka mitsangàna.
 
Izao tontolo izao efa jambena 
Voagejan-drendrarendra sy harena 
K'ianao dia ianao no antenainy 
Ny fiainanao miova no ilainy (o, o, o). 
 
Ny fitiavany tsy miova (Ny fitiavany) 
No iantsoany anao izao (No iantsoany anao)
Ny ra nalatsany ho anao (Ny ra nalatsany)
No nanasany ny fonao (No nanasany anao). 
Ny fitiavany tsy miova (Ny fitiavany) 
No iantsoany anao izao (No iantsoany anao)
Ny ra nalatsany ho anao (Ny ra nalatsany)
No nanasany ny fonao (No nanasany anao). 

Ka dia tsy horaisinao tokoa ve
'Zay antso antefany? 
Ka andeha ianao hampijoro hatrany 
Ny lalam-pahamarinana 
Izany, izany no fiainam-baovao     
Izany, izany no iantsoany anao. 
 
Satria ny fitiavan'ízy Tompo (o, o) 
Miantso anao hanompo sy hanatsara 
Satria ny fitiavan'izy Tompo (Eny e) 
Manefy anao tsy handray fa hizara. 
 
Tsy hoe fadiranovana, tsy manana 
Fa sahy manome ny aina sy ny ananana 
'Zay no fahantrana am-panahy 
Tsy voagejan'ny tombontsoa sy ny ahiahy. 

Ny fitiavany tsy miova (Ny fitiavany) 
No iantsoany anao izao (No iantsoany anao)
Ny ra nalatsany ho anao (Ny ra nalatsany)
No nanasany ny fonao (No nanasany anao). 
Ny fitiavany tsy miova (Ny fitiavany) 
No iantsoany anao izao (No iantsoany anao)
Ny ra nalatsany ho anao (Ny ra nalatsany)
No nanasany ny fonao (No nanasany anao). 

Ka dia tsy horaisinao tokoa ve
'Zay antso antefany? 
Ka andeha ianao hampijoro hatrany 
Ny lalam-pahamarinana 
Izany, izany no fiainam-baovao 
Izany, izany no iantsoany anao. 
 
Satria ny fitiavan'izy Tompo (o, o) 
Manainga anao ho marina sy ho mpanarina
Satria ny fitiavan'izy Tompo (Eny e) 
Manainga anao tsy hanaiky ny tsy marina. 
 
Tiava marina tokoa, dia ataovy izay tianao hatao...
Nampiditra Belle
Fihirana Hasina p. 78
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087