Tsy manao an-dolompo ny Tompontsika

Tsy manao an-dolompo ny Tompontsika.

 

1 'Zaho no Davida nahavono / an-tsitrapo ilay olomarina,

 Nefa dia niaiky / fa nanota ka nibebaka.

 

2 Vehivavy janga very hasina / sy zo tokoa ny tenako:

 Iza no hantsoiko / mba hamerina ny hajako?

 

3 'Zaho no Zakea izay nanam-be / ka nampahory ny tsy manana,

 Nefa dia niniako / ny hahita an'izy Tompo.

 

4 'Zaho no Piera / izay nandà ankitsirano ny Tompo,

 Nefa nitodihany / ka tonga saina tampoka.

 

5 'Zaho no jiolahy nampijaly / ny vahoakan'Andriamanitra:

 Moa ny fanjakany / mba azoko idirana?

 

6 Difotry ny heloka / mandrevon'ny tontolo ny fiainako:

 Moa ve ny Tompoko / dia hanadino ny tavany?

Nampiditra Belle
Sokajy Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 484
Fihirana Hasina p. 71
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086