Andriamanitra eto amintsika: Ô! Emanoela!
Andriamanitra eto amintsika: Ô! Emanoela!
(Iz. 11, 1-5)
1 Fa Solofo iray hitsimoka amy fototr'i Jesea,
 Hisy rantsana hitsiry avy amin'ny taranany;
 Ny Fanahin'izy Tompo no hitoetra ao aminy.
2 'Lay Fanahy fahendrena sy fahazavan-tsaina,
 'Lay Fanahy mpankahery ary koa mpanoro hevitra,
 'Lay Fanahy fahalalana ary fitiavam-bavaka.
3 Tsy mba araka ny endri-java-misy no hitsaràny,
 Na koa araka ny teny 'zay lazain'ny vavan'olona,
 Tsy izany no amoahany ny didim-pitsaràna.
4 Ny madinika hotsarainy ara-drariny avokoa,
 Ary didim-pitsaràna amin'ny hitsiny tokoa
 No homeny sy havoakany ho an'ny malahelo.
5 Ireo meloka hovonoiny amy fofon'ain'ny vavany;
 Ka ny rariny hataony fehikibo hisikinana,
 Dia ny marina hatrany no hataony fitafiana.

