Avia, ry mpino, miravoravoa

Nampiditra: Belle
Sokajy: Noely,


  • Fihirana Vaovao p. "386
  • Fihirana Hasina p. "60
  • Vavaka sy Hira p. "674
  • Fihirana Dera p. "104

1 Avia, ry mpino, miravoravoa e,
 Hitsaoka ny Tompo any Betlehema.
* Teraka anio ny Mpamonjy antsika.
 
Avia hitsaoka azy, avia hitsaoka azy,
Avia ka derao ny Mpamonjy.
 
2 Ireo mpaminany efa nanambara
 Fa izy Mpanjaka, izy no Mesia,
* Tompo nahary iray amintsika.
 
3 Voaantson'ny anjely ny mpiandry ondry,
 Ka faly mihira ho any Betlehema.
* Isika koa e antsoin'izy Tompo.
 
4 Ny majy mpanjaka iny an-dalana iny:
 Ny kinta-mazava eo alohany.
* Haingàna isika hitondra fitia.
 
5 Fa mamy ny aina, hoy ny razantsika
 Nitady ny Tompo Zanahariny.
* Izy no Aina ivelomantsika.
 
6 Ilay paradisa nohidin'i Eva
 Vohàn'i Maria, ka mivoha indray.
 * Indro ny Tompo, raiso an-tanan-droa.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay