Hofafazako rano ianareo dia hadio ny fahotanareo

(Ezek. 36, 25-28)

Hofafazako rano ianareo,             avia, ry Fanahy Masina ô
Dia hadio ny fahotanareo,            avia, ry Fanahy Masina ô
Homeko fo vaovao ianareo,          avia, ry Fanahy Masina ô
Fanahy vaovao no omeko anareo, avia, ry Fanahy Masina ô

Fa ankehitriny, ankehitriny izao,
Hanavao ny tarehin'ny tany aho;
Fa ankehitriny, ankehitriny izao,
Fanahy vaovao no omeko anareo.

Hoesoriko amin'ny fonareo ny fo vato, avia, ry Fanahy Masina ô
Dia homeko fo nofo ianareo,               avia, ry Fanahy Masina ô
Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko,    avia, ry Fanahy Masina ô
Dia hanaraka ny fitsipiko ianareo,       avia, ry Fanahy Masina ô

Fanahy vaovao no omeko anareo,  avia, ry Fanahy Masina ô
Dia hitandrina ny didiko ianareo,   avia, ry Fanahy Masina ô
Amin'izay, ho vahoakako ianareo,  avia, ry Fanahy Masina ô
Ary izaho ho Andriamanitrareo,     avia, ry Fanahy Masina ô

Nampiditra Belle
Sokajy Fanahy Masina
Fihirana Hasina p. 49
Fihirana Vaovao p. 301
Vavaka sy Hira p. 412
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098