Andriamanitra Fanahy, midìna ao anatinay
Andriamanitra Fanahy,
Midìna ao anatinay,
Fa ny fonay aty miandry
Hamindranao ny anatrao. (indroa)
1 Ry Fanahy Masina ô, mba tongava
 Ho mpitondra aminay ny hazavana e,
 Hazavana hanilo anay e.
2 Ry mpanafaka alahelo soa indrindra ô,
 Mba mitoera re ato aminay e,
 Mba ho aina mamelona anay e.
3 Ala sasatra amin'ny asa ianao e,
 Alokaloka raha maina andro e,
 Tambitambin'ireo malahelo.
4 Ry fanilo loharanom-pahasambarana ô,
 Mba tsidihonao ny fonay mpino e,
 Fa ianao no harena sy herinay e.
5 Androtsahy ireo fanomezanao e,
 Mba omeo ny hasambarana tsy lefy e
 'Zay rehetra mitoky aminao e.
6 Voninahitra ho anao, ry Ray ô,
 Voninahitra ho anao, ry Zanaka,
 Miaraka aminao, ry Fanahy Masina.
                    Nampiditra Belle                
                                        
                    Sokajy                                                                    Fanahy Masina                                    
            
                            
                            Fihirana Hasina p.
                            46                        
                                            
                            Fihirana Vaovao p.
                            442                        
                                            
                            Vavaka sy Hira p.
                            494                        
                                    
