Rainay ao an-danitra ao
1 Rainay ao an-danitra ao, hohamasinina anie ianao:
Hotiavina sy hajaina e, hohamasinina e ny anaranao,
Ianao no Ray ô, >> >>
Ianao no Tompo, >> >>
Ianao no Masina e, >> >>
Ry Avo indrindra ô, >> >>
Zanaharinay ô, >> >>
Etý an-tany e, >> >>
ho tahaka ny ao an-danitra!
2 Rainay ao an-danitra ao, fitiavana anie ianao:
Deraina, ampanjakana e, hampanjakaina e ny fitiavanao,
Amin'ny tokantranao ô, >> >>
Amin'ny havan-tiana, >> >>
Amin'ny fahavalo, >> >>
Amin'ireo madinika e, >> >>
Amim-piaraha-monina e, >> >>
Etý an-tany e, >> >>
ho tahaka ny ao an-danitra!
3 Rainay ao an-danitra ao, izao no sitrakao:
Ny hinoana an'i Jesoa e, hotanterahina e ny sitrakao,
Harahinay e, >> >>
Hiainanay e, >> >>
Hambaranay e, >> >>
Ho iray ihany e, >> >>
Ny zanakao e, >> >>
Etý an-tany e, >> >>
ho tahaka ny ao an-danitra!
4 Rainay ao an-danitra ao, misaotra anao 'zahay:
Tahínao isan'andro, misaotra anao e ny zanakao,
Velominao e, >> >>
Avela heloka e, >> >>
Mba hifamela, >> >>
Arovanao e, >> >>
Ka velona aina, >> >>
Etý an-tany e, >> >>
ho tahaka ny ao an-danitra!