Ny Teninao faniloko ry Tompo

1-      Ny Teninao faniloko ry Tompo

Fahazavana eny an-dalako

Mamelona, mandrehitra ny foko

Hijoroako ho vavolombelona

 

Tanora mijoro, fanantenana

Ho fanilo, ho vavolombelona

Tanora mijoro ho fahazavana

Eo anivon’ny mpiara-belona

 

2-      Koa mandehana, hoy ianao kosa

Eran’ny tany sy izao tontolo izao

Omeo finoana ‘zay rehetra osa

Ny mahantra aza atao ankilabao

 

3-      Tanora ô, mba ho aiza moa isika?

Mijoro ve sa misalasala?

Matokia ianao ho tafita

Hanara-dia an’I Jesoa Kristy

 

4-      Ny Teninao hanenika ahy ry Tompo

Hamelona aina toy ny orana

Hanetsaka, handonaka ny tany

Haharitra sy hampamokatra

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095