Iray vatsy

Andriamanitra indreto ny tananay izay mifandray

Mariky ny fo mifankatia sy finoana iray

Tsy manana heloka an-dolo-po toy ny lasa ireny

Fa iray vatsy sy iray aina araky ny teny

 

Mamy tokoa lahy izany dia rehefa tena tia

Fa ny fihavanana ao aminao mampiara-dia

Zary fanilo sy famantarana ho an’ny tany

Miara-midola mifampitosy any an-danitra any

 

Ou, ou ou mamy ny tena fitiavana

Eny e ! Zany ny tena fitiavana

Mandrakizay ny fitiavanao, ka ho mandrakizay ny fihavananay e

Miara-misotro indray ny kalisy iray

Tianay e, maminay e!

Tianay e, ny Fiangonana maminay

Tianay e, maminay e!

Tianay e,tianay ny Fiangonana Reninay

Nampiditra admin
Sokajy Fiadanana
Fihirana Hasina p. 529
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207