Lucien Botovasoa Olontsambatra

1- Velom-pisaorana izahay ka mihoby amin-kafaliana
Anao Zanahary Abanay e
Tamin'ireo soa zakabe e,
nafafinao tamigne fiangonanay e
Da tsy ho hainay gnidoboky amin'izao
tsy hisaotra Anao tamigne nanandratanao
Olontsambatra an'i Lucien izao
Da lehibe tokotry e fitiavanao ro Aba,
Misaotra Anao zahay e

Ino ô, ino ito agny e,
Vaovao tsara, vaovao magneva
Da sambako hita te Matatagna tetoa
Fanandrat(ana) Olontsambatra akoran'itoa
Lucien Botovasoa, mivavaha ho anay taranakao ô,
Mba hanjaka eto aminay tokoa,
gne fifankatiavana napetrakao ô

2-Lehilahy tsotra da nafana fo
tami(n'ny) fanompoana gne fiara(ha) monina
Indrindra tamin'ny fiangonana i Lucien
Ka da nampianariny anay aby e,
ny ara-batana, ara-tsaina indrindra ny ara-panahy e
Nalagnony ho iraika tokotry iay,
tsisy navakavahany aby,
indrindra e mahantra nifanena tamin'azy
Da nafoiny ho faty ndre da gn'ainy e,
hagnavotana anay sy gne Tanindrazany e.

3-Jesoa Kristy nahafoy ny ainy,
Izy nataony ho modely
nandritra ny androm-piaignany e
Da teo avao koa gne fagnajà laligna tao am-pony e,
an'i Masina Maria Reniny tsy foiny e
Ndre da teo gne fahavalo nagnano teti-dratsy
ka te handratra sy te hamono an'azy e
Da tsy nisalasala, tsy natahotra izy e,
ka nivavaka heky alohan'ny hahafaty an'azy e!

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Fihirana Hasina p. 888
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091