Andriamanitry ny tany aman-danitra
(Feony: Midina ry Anjely Masina)
Andriamanitry ny tany aman-danitra
Avy aminao izao mofo atolotray izao
Vokatry ny tany sy ny hasasaranay
Dia ho tonga Vatan’i Jesoa
Ry Andriamanitra ô (Ry Andriamanitra ô)
Ankalazaina Ianao e (ankalazaina ho sitrakao)
Mba ho sitraky ny fonao
Izao sorona atolotray izao
Andriamanitry ny tany aman-danitra
Avy aminao izao divay atolotray izao
Vokatry ny tany sy ny hasasaranay
Dia ho tonga Ran’i Jesoa
Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana