Atolotra Anao e, ry Tompo
Ireto fanatitray ireto
Atolotray an-kafaliana
Sy am-panajana Anao
Raiso ny mofo, raiso ny divay
Raiso ny fiainanay, e e e ia
Ny asa lohanay ry Tompo
Atolotra Anao e
Mba ovao ho hafaliana
Hahafahanay manompo Anao
Ny fijalianay ry Tompo
Atolotray Anao e
Akambanay amin’I Jesoa
Hiombonanay Aminao