Ndao isika re, ry aba

1- Ndao isika re, ry aba,
Ndao isika re, ry endry e
Hanolotra sorona;
Ka mofo sy divay e no atolotray e
Aminao Andriamanitra
 
Mitsinjaha isika re, mifalia isika re
Entanin-kafaliana, hihira fihobiana
Ao an-tranon-dRagnahary
 
2- Ndao isika re, ry aba,
Ndao isika re, ry endry e
Hidera an-dRagnahary e
Ny tenan manontolo no atolotray e
Aminao Andriamanitra
 
3- Ndao isika, re ry aba,
Ndao isika re, ry endry e
Hiara-hankalaza;
Ny fonay manontolo no atolotray e
Aminao Andriamanitra

Nampiditra admin
Sokajy Fanolorana
Fihirana Hasina p. 785
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089