Voninahitra ho an'Andriamanitra (miankohoka)

Nampiditra: admin
Sokajy: Voninahitra,


  • Karine Dera p. "480

Voninahitra ho an’Andriamanitra
Any amin’ny avo indrindra ia e e
Fiadanana ho antsika olombelona
Nanehoany ny hatsaram-pony e e
Voninahitra anie ho Anao e e voninahitra e e

1-      Midera Anao izahay ry Tompo
Mankalaza ny anaranao o o ia
Miankohoka Aminao o o (2)
Misaotra Anao izahay ry Ray ô
Mankalaza Anao izahay e e ia
Mihoby ny hasinao o o (2)
 
2-      Mitsaoka Anao izahay ry Tompo ô
Ry Tompo Zanak’Andriamanitra e e ia
Zanaky ny Ray e e ia (2)
Manala ny fahotana rehetra
Aza arianao izahay e e ia
Ka mamindrà fo aminay e e e (2)
 
3-      Mipetraka anilan’ny Ray Ianao
Mipetraka any an-danitra any e e e ia
Raiso ny fifonanay eee ia (2)
Anao araiky ny tena masigny Tompo
Ambonin’ny raha jiaby e e e ia
Ianao irery no avo indrindra eee ia (2)
 
4-      Ry Jesoa Kristy ‘zay Tompo
Miaraka amin’ny Fanahy Masina ee ia
Omeo voninahitra e e e
Omeo voninahitra e e


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0302 s.] - Hanohana anay