Andeha koa ianareo e

Andeha koa ianareo e, mankany an-tanim-boaloboko

Anisan’ny voafidy ianareo e, nofantenana amin’ny maro ianareo eee.  

1-      Maro no efa nantsoina, tsy manavaka Izy Tompo.

Mitaona ny olona vonona,

Hirotsaka ho eny an-tanim-boaloboko, hiasa!

2-      Tsy avo tsy iva! Na tonga aloha na aoriana.

Mitovy tantana avokoa,

Amy Fanjakan’Ilay Andriamanitra isika!

3-      Nisy lehilahy iray, vao maraina nivoaka.

Omeny asa izay tsy manana,

Miasa loha amin’ny fiainantsika. ny Ray.

4-      Ianareo lany andro, midonanam-poana,

Raha te-hiasa ianareo,

‘Ndeha any an-tanim-boaloboka, hiasa!

5-      Andeha any an-tanim-boaloboka! Voafidinao aho Tompo

Nofantenanao tanatin’ny maro aho

Tsy kivy tamin’ny sedra, misaotra tamin’ny soa maro.

O misaotra e ia an…

Nampiditra admin
Sokajy Fanirahana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093