Andeha isika ombao ny làlana

Andeha isika ombao ny làlana mankany Jerosalema
Andeha hamelatra ny fiainana, mba hiderana ny Tompontsika
Fa i Jesoa tsy nilavo lefona hanao sorona ny fiainany;
Ny lalan-kodiaviny omankomanina fa tamy Izy e;
Ihantsikantsiho ny latsitanana fa tamy Izy e.
 
1- 'Zao no nohafarany tamin'ny mpianany 
Rehefa akaiky i Jerosalema
'Ndeha ianareo mialoha làlana Ahy
Manketsy amin'ny vohitra tazana itsy
Ao an-tanàna ao misy ampondra
Mbola ao am-patorana ao izy zay
Mirao-bilona akaikiny eo
Zanak'ampondra miriorio
Vahao ny reniny ho afa-patorana
Entonareo izy mankaty
Ary raha misy be fanontany 
Ka te hanadinkadina anareo
Misy ilan'ny Tompo azy, ka lazao izy e
 
2- 'Zao no nohafaran'ny mpaminany 
Raha atao ohatra ry Izaia
'Zao no voalazan'ny mpaminany
Raha toa tanisaina ry Zakaria
Indro  ny Tompo Mpanjakanao
Ry zanakavavin'i Siona
Mailaka ianao amin'ny totorebika
Hatramin'izay faran'ny herinao
Ho avy ny Tompo Mpanjakanao
Ho avy hitaingina ampondra Izy
Izao koa ny hafatra famantarana 
Eo imasonao ry Jerosalema
Hobio ny Tompo Mpanjakantsika, fa tamy Izy e
 
3- Misy ilan'ny Tompo antsika
Fa tsy adaladala ny Tompontsika
Misy ilany ny ambanilanitra
Tsy ny olon-tsotra no atositosiny
Dinidiniho àry izay mamatotra 
Ny fontsika hanavakavaka;
Dinidiniho koa ny vela-pandrika
Hamingampinganana ny olom-bodo
'Reny rehetra ireny mbola horesena 
Fa halan'ny Tompo Mpanjakantsika
Ary raha misy malai-fonosana
Tsy avy hitsena ny Tompontsika
Misy ilan'ny Tompo antsika, lazao izy e.

Nampiditra admin
Sokajy Fidirana
Fihirana Hasina p. 756
Fihirana Vaovao p. 548
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091