1 - Ny teninao Andriamanitra ô,
Dia feno fitiavan-dehibe
Ny teninao mandresy lahatra
Manakantsakana izay mania
Fiv :
Ampianaro aho, Tompo ô
Hanambara ny fitiavanao
Hanompo anao Andriamanitra ô
Sambatra aho raha eo anilanao.
2 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia fahavalom-pahafatesana
Hatrany am-pasana aza no mandre
Ny maty dia ho velona indray.
3 - Ny Teninao Andriamanitra ô,
Dia hazavana manjopiaka
Fiadanana mahafa-po
Ho an'ny olona izay mankatò