Ô ry Tompo tia anay

Ô ry Tompo tia anay !
Aza entina misedra 'zay tsy zakanay izahay,
aza avelanao ho irery
fa raha feno ny fotoana hiverenanao indray,
mbola hino ve izahay ?
   

1- Fa impiry moa 'zahay no esoina noho ianao,
Raha miezaka mitia 'reny zandrinao ireny !
Zary menatra izahay 
fa lazaina mpanonofy
sy mpandrendrika vahoaka
Hanantena ny tsy misy !

2- Fa impiry moa 'zahay no vonoina noho ianao,
raha mikiry mampanjaka 'zany fahamarinanao !
Ny anarany lotoina,
ny fiainanay fofoina ;
tsisy toerana ho anay
am'izao tontolo izao 

3 - Firifiry moa ny olona tsy mino Anao akory
nefa indro fa mahomby eo ambany masonay
Izay iriny tsy mivaona
izay ataony igagana
azy izao tontolo izao,
ka voailika izahay !

4- Firifiry moa ny olona miandrandra famonjena,
ny finoanay anefa tsy mitombo fa mihena !
Olon-dresy hamavoina
olo-marina vonoina,
anirahanao anay,
nefa miahotra izahay !

5- Fa impiry moa ianao no nilaza taminay
fa lalam-pamonjena no natolotrao anay :
Famonjena itokiana
tamin'ny hazofijaliana
efa nentinao nandresy
an'izao tontolo izao.

Nampiditra Bariry
Sokajy Hiran-damesa
Ankalazao ny Tompo p. 250
Fihirana Dera p. 242
Fihirana Hasina p. 101
Fihirana Vaovao p. 91
Vavaka sy Hira p. 531
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092