Eny tanteraka ny zavatra rehetra !

Eny tanteraka ny zavatra rehetra !
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
ny zava-mahagaga nataon'izy Tompo !
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
fa Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesoa !
Izy no Amen ! Aleloia ! (2Kor. 1, 20)
 
1- Efa niseho tamin'ny mpifatotra an-tranomaizina
ny anjelin'ny Tompo, nanapaka gadra, namoha hidin-trano,
naniraka hoe : "Andeha, tantarao amin'ny havanareo
izay vitan'ny Tompo nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !"
 
2- Efa niseho tamin'ny mpanenjika ny olo-marina
ny anjelin'ny Tompo, nandefa hazavana, nanjemby ny maso,
naniraka hoe : "Andeha, tantarao am'ireo efa mino
izay vitan'ny Tompo, nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !"
 
3- Efa niseho tamin'ny mpianatra niombom-bavaka
ny anjelin'ny Tompo, niseho hita maso, nanampy hiteny,
naniraka hoe : "Andeha, tantarao am'ireo firenena
izay vitan'ny Tompo nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !"
 
4- Efa niseho tamin'ny mpianakavy izay tafavory
ny anjelin'ny Tompo, nitondra hafaliana, nanolotra saina,
naniraka hoe : "Andeha tantarao am'ireo efa mino
izay vitan'ny Tompo nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !"

Nampiditra Bariry
Sokajy Hiran-damesa - Paka
Ankalazao ny Tompo p. 257
Fihirana Dera p. 241
Fihirana Hasina p. 74
Vavaka sy Hira p. 701
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096